Aoka hanahaka ny lelosy izay miempo eo am-pandehanana! Aoka tsy hahita masoandro toa zaza vaky manta ireo!
Jeremia 23:19 - Baiboly Katolika Indro ny tafio-drivotr’i Iaveh; ny fahatezerana efa hipoaka; mitambolibolina ny tadiony ka mihantona amin’ny lohan’ny tsy tia fivavahana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 E! Ny tadion’NY TOMPO! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy. DIEM PROTESTANTA Indro tamy ny rambon-danitra, dia ny fahatezeran’ny TOMPO. Toy ny rivo-doza mitambolimbolina no fiantontany eny an-dohan’ny olon-dratsy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indro tamy ny rambon-danitra, dia ny fahatezeran’ny TOMPO. Toy ny rivo-doza mitambolimbolina no fiantontany eny an-dohan’ny olon-dratsy. Baiboly Protestanta Malagasy He! ny tadion’i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana Sy ny tadio mitambolimbolina Ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy. Malagasy Bible He! ny tadion'i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy. La Bible en Malgache E! Ny tadion’NY TOMPO! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy. |
Aoka hanahaka ny lelosy izay miempo eo am-pandehanana! Aoka tsy hahita masoandro toa zaza vaky manta ireo!
raha avy hamely anareo, toy ny rivo-doza, ny zava-mahatahotra, raha hanarona anareo, toy ny tafio-drivotra ny loza, raha hianjeràm-pahoriana amin’ahiahy ianareo.
Toy ny fihelenan’ny tafio-drivotra no anjavonan’ny ratsy fanahy; fa fanorenana mandrakizay kosa no nampitoerana ny marina.
Faminaniana ny amin’ny efitry ny ranomasina. Tahaka ny firimorimon’ny tadio mihazo any amin’ny atsimo, avy any an’efitra izany, amin’ny tany mahatahotra.
Vao nambolena ireo, vao nafafy ireo, vao latsa-paka amin’ny tany ny fotony, dia tsofiny ka malazo, ary nindaosin’ny ranonoram-baratra hoatra ny vodivary.
Re hatrany am-paran’ny tany, ny horakoraka; satria i Iaveh mampamoaka ny firenena rehetra, mifandahatra amin’ny nofo rehetra eo amin’ny fitsarana, manolotra ny ratsy fanahy amin’ny sabatra, - teny marin’i Iaveh. -
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Indro ny loza hitety ny firenen-tsamihafa. Misy tafio-drivotra mahery, hiposaka avy any am-paran’ny tany.
Indro, ny tafio-drivotr’i Iaveh, ny fahatezerana efa hipoaka: mivatravatra ny ranonoram-baratra, miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.
Tsy hihemotra ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh, raha tsy efa niasa sy nanatanteraka ny hevitry ny fony Izy: ho fantatrareo any am-paran’ny andro any.
Amin’izany andro izany, dia hilazana ity firenena ity sy i Jerosalema hatao hoe: Misy rivo-mahamay avy any amin’ny havoana any an’efitra, eo amin’ny lalana mankany amin’ny zanaka vavin’ny vahoakako, ka tsy hikororohana na hanadiovana;
Izao no lazain’i Iaveh: Indro hohetsehiko hamely an’i Babela sy hamely ny mponina amin’i Kaldea ilay fanahy mpandringana.
Hitako, fa indro, avy any avaratra, nisy tafio-drivotra sy rahona lehibe, aman’afo mivongana, izay manjopiaka manodidina, ary ao afovoany dia toa zavatra mitarehi-metaly voatsoboka anaty afo no niseho teo.
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Izaho hampifofofofo tafio-drivotra noho ny fahavinirako; hahatonga ora-mahery, noho ny hatezerako; sy havandra vato handringana, noho ny fahavinirako.
hampirehitra afo ao ambonin’ny mandan’i Rahaba Aho, ka handevona ny lapany izany, eo amin’ny akoran’ady toy ny amin’ny andro iadiana, sy eo amin’ny rivo-mahery mitambolimbolina amin’ny andron’ny tafio-drivotra.
Haeliko any amin’ny firenena rehetra tsy fantany izy ireo, ka ny tany eo aorian’izy ireo hipetraka foana, ary tsy hisy olona handalo na hiverina ao. Ilay tany mahafinaritra iny, ka nataony zary efitra.
Hiseho eo ambonin’izy ireo i Iaveh, hitsoriaka toy ny helatra, ny zana-tsipìkany. Hampaneno ny trômpetra ny Tompo Iaveh, ary handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo.