Roahina hiala amin’ny mazava izy, ho ao amin’ny maizina, ary esorina hiala amin’izao tontolo izao.
Jeremia 23:12 - Baiboly Katolika Koa ny lalan’izy ireo hanjary fitoerana malama ao amin’ny maizina, ho azy ireo; haronjina sy ho lavo eo izy; satria hampidi-doza aminy Aho, amin’ny taona hamangiako azy, - teny marin’i Iaveh.- Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa ho toy ny lala-malama amin’ny haizim-pito ny lalany; hifanosika izy ka ho potraka ao; fa hahatonga loza aminy Aho amin’ny taona hamaliana azy, hoy NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Noho izany, dia hanjary malama ny lalany. Hifandona anaty haizina izy ka hianjera, fa hataoko tonga aminy ny loza amin’ny taona hirotsahako hamely azy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noho izany, dia hanjary malama ny lalany. Hifandona anaty haizina izy ka hianjera, fa hataoko tonga aminy ny loza amin’ny taona hirotsahako hamely azy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.» Baiboly Protestanta Malagasy Koa dia ho toy ny làla-malama amin’ny aizim-pito ny làlany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin’ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah. Malagasy Bible Koa dia ho toy ny lala-malama amin'ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin'ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah. La Bible en Malgache Koa ho toy ny lala-malama amin’ny haizim-pito ny lalany; hifanosika izy ka ho potraka ao; fa hahatonga loza aminy Aho amin’ny taona hamaliana azy, hoy NY TOMPO. |
Roahina hiala amin’ny mazava izy, ho ao amin’ny maizina, ary esorina hiala amin’izao tontolo izao.
Eny, ampandehaninao eo amin’ny lala-malama ireny, dia alavonao, ka levona foana eo izy.
Tsy manam-pahaizana na hazavan-tsaina ireny, fa mandeha amin’ny maizina; mihorohoro ny fanambanin’ny tany rehetra.
Fa ianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin’izay nolazaiko taminao. Indro fa handeha eo alohanao ny Anjeliko, nefa amin’ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo.»
Fa toy ny haizina kosa ny lalan’ny ratsy fanahy, ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy.
Hanandratra ny masony any ambony, dia hanondrika azy amin’ny tany indray: Ka indro ny fahoriana, ny haizina, ny tebiteby mampanjombona; horoahina any amin’ny haizim-pito izy.
Manomeza voninahitra an’i Iaveh Andriamanitrareo, dieny tsy mbola tonga ny haizina, dieny tsy mbola mipoka amin’ny tendrombohitry ny alina ny tongotrareo, dieny tsy mbola novany ho aloky ny fahafatesana ny mazava andrasanareo, ary tsy mbola nampanjariny ho haizim-pito.
Izay mandositra ny zava-mahatahotra azy, voan’ny fandrika; fa hataoko tonga aminy, dia amin’i Moaba, ny taona famangiana azy, - teny marin’i Iaveh. -
Vonoy avokoa ireo ombalahy, aoka hidina ho any am-pamonoana izy. Loza ho azy fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamangiana azy.
Homenàrina izy, fa nanao fahavetavetana, nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy, ary tsy mba valahara! koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo; ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy», hoy i Iaveh.
Iaveh ô, jereo ka diniho: Iza no mbola nataonao toy izao, na oviana na oviana? Endrey! Misy vehivavy mba efa mihinana ny naloaky ny kibony ve? Dia ny zanany madinika izay malalany? Endrey! Mba efa vonoina eo amin’ny fitoerana masin’ny Tompo, na ny mpisorona na ny mpaminany!
Ny tsara indrindra aminy, no toy ny tsilo; ny mahitsy indrindra, ratsy noho ny fefy roy. - Tonga ny andro voalazan’ny tilinao, tonga ny andro famaizana anao; amin’izao dia efa safo-kenatra izy ireo! -
Dia hoy i Jesoa taminy: «Kely foana sisa hitoeran’ny mazava eto aminareo, ka mandehana dieny mbola eo aminareo ny mazava, fandrao tratry ny haizina ianareo, satria izay mandeha amin’ny haizina dia tsy mahalala izay alehany akory.
Ahy ny fampanodiavana sy ny famaliana amin’ny fotoana hahatafintohina ny tongony, fa antomotra ny andro hahitany loza, ary ho avy faingana izay anjara ho azy.
Fa izay mankahala ny namany dia ao anatin’ny haizina sy mandeha amin’ny maizina, ka tsy mahalala izay halehany, fa voajamban’ny haizina ny masony.
onjan-dranomasina misamboaravoara, mandoa vorin’ny fahafaham-baràka ho azy; ary kintana mirenireny, fiandrin’ny haizim-pito mandrakizay.