Ny zanaka lahin’i Sedesiasa novonoina teo anatrehan’izy rainy. Raha efa izany dia nopotsirin’i Nabokodonozora ny mason’i Sedesiasa ary nafatony tamin’ny gadra varahina roa izy, dia nentiny nankany Babilôna.
Jeremia 20:4 - Baiboly Katolika Satria izao no lazain’i Iaveh: «Indro atolotro ho amin’ny fangorohoroana, ianao sy ny sakaizanao. Izy ireo ho lavon’ny sabatry ny fahavalony, ary ianao hahita maso an’izany. I Jodà rehetra koa hatolotro ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hoentiny babo any Babilôna izy ireo, ary hovonoiny amin’ny sabatra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko fampihorohoroana ho an’ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ny masonao izany; ary hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ny Joda rehetra, dia hoentiny ho babo any Babilona izy ka hovonoiny amin’ny sabatra. DIEM PROTESTANTA Satria izao no lazain’ny TOMPO: «Indro hatolotro ho amin’ny fihorohoroana ianao sy ny namanao rehetra. Ho fatin’ny sabatry ny fahavalony manko ireo namanao; ary ny masonao no hahita izany. Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vahoakan’i Joda rehetra ka hoentiny ho babo any Babilôna na hovonoiny ho faty amin’ny sabatra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Satria izao no lazain’ny TOMPO: «Indro hatolotro ho amin’ny fihorohoroana ianao sy ny namanao rehetra. Ho fatin’ny sabatry ny fahavalony manko ireo namanao; ary ny masonao no hahita izany. Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vahoakan’i Joda rehetra ka hoentiny ho babo any Babilôna na hovonoiny ho faty amin’ny sabatra. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izao no lazain’i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an’ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra hianao, ary ho lavon’ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan’ny mpanjakan’i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin’ny sabatra. Malagasy Bible Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an'ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon'ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan'ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin'ny sabatra. La Bible en Malgache Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko fampihorohoroana ho an’ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ny masonao izany; ary hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ny Joda rehetra, dia hoentiny ho babo any Babilona izy ka hovonoiny amin’ny sabatra. |
Ny zanaka lahin’i Sedesiasa novonoina teo anatrehan’izy rainy. Raha efa izany dia nopotsirin’i Nabokodonozora ny mason’i Sedesiasa ary nafatony tamin’ny gadra varahina roa izy, dia nentiny nankany Babilôna.
Hia! indray mipy maso monja lahy, dia rava ireny! Levona terỳ! Matin-doza mahatsiravina ka tsy hita intsony!
Ity vahoaka ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ny ditran’ny fony, sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy, dia ho tahaka ity fehikibo tsy azo atao na inona na inona intsony ity.
Ny tanàna amin’ny tany atsimo, voahidy ary tsy misy mpamoha azy; i Jodà manontolo lasan-ko babo; ka tanteraka indrindra ny famaboana.
«Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hataoko mihatra amin’ity tanàna ity, sy amin’ny tanàna rehetra momba azy, ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy, noho izy ireo nanamafy ny hatony tsy hihainoany ny teniko.»
Ary ianao, ry Fasora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao, ho lasan-ko babo ianareo; ho any Babilôna ianao; ka any no hahafatesanao; any no handevenana anao, dia ianao mbamin’ny sakaizanao rehetra, izay naminanianao lainga.»
dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, ny amin’i Akaba zanak’i Kôliasa, sy i Sedesiasa zanak’i Maasiasa, izay maminany lainga aminareo amin’ny Anarako: Indro izy hatolotro eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ka hovonoiny eo imasonareo.
Fa inona re ity hitako e? Raiki-tahotra izy ireo ka miamboho lahy! Resy ny mpiadiny! Mandositra tsy miherika akory izy ireo! Fa misy fampangorohoroana hatraiza hatraiza, - teny marin’i Iaveh. -
Nalain’ny kapitenin’ny mpiambina i Saraiasa mpisorona lehibe, i Sôfônia mpisorona amin’ny filaharana manarakaraka, ary ny mpiandry varavarana telo lahy.
Novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna ireo, sy nataony maty tao Reblà, amin’ny tanin’i Emata. Toy izany no nitondrana an’i Jodà ho babo, lavitry ny taniny.
Aza mivoaka ho any an-tsaha, na mandeha eny an-dalambe, fa mitan-tsabatra ny fahavalo, misy fangorohoroana manodidina.
Tsy hofongorako tsy ho eo amin’ny ôteliko avokoa ny lehilahy rehetra amin’ny taranakao mba hahajemby ny masonao sy handreraka ny fonao, nefa ho faty amin’ny taonan’ny fahatanjahany avokoa ny solofo rehetra amin’ny taranakao.