Jeremia 13:19 - Baiboly Katolika19 Ny tanàna amin’ny tany atsimo, voahidy ary tsy misy mpamoha azy; i Jodà manontolo lasan-ko babo; ka tanteraka indrindra ny famaboana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201119 Voarindrina ny tanàna any Negeva ka tsy misy mamoha; lasan-ko babo i Joda manontolo, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA19 Voahidy ny tanàna any Negeba, ary tsy misy olona mamoha intsony, satria lasan-ko babo avokoa ny vahoakan’i Joda; eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara19 Voahidy ny tanàna any Negeba, ary tsy misy olona mamoha intsony, satria lasan-ko babo avokoa ny vahoakan’i Joda; eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy19 Voarindrina ny tanàna any amin’ny tany atsimo, Ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, Eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra. Jereo ny tokoMalagasy Bible19 Voarindrina ny tanàna any amin'ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache19 Voarindrina ny tanàna any Negeva ka tsy misy mamoha; lasan-ko babo i Joda manontolo, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra. Jereo ny toko |
Satria izao no lazain’i Iaveh: «Indro atolotro ho amin’ny fangorohoroana, ianao sy ny sakaizanao. Izy ireo ho lavon’ny sabatry ny fahavalony, ary ianao hahita maso an’izany. I Jodà rehetra koa hatolotro ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hoentiny babo any Babilôna izy ireo, ary hovonoiny amin’ny sabatra.
Nampitazanin’i Iaveh aho, ka indreto aviavy roa harona voapetraka teo anoloan’ny Tempolin’i Iaveh; ny nahatongavan’izany, dia taorian’ny nitondran’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, ny lehiben’i Jodà, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy, avy ao Jerosalema ho babo any Babilôna.
Hovidin’ny olona vola ny saha dia hanaovana fanekena izany, hasiana tombokase sy hangalana vavolombelona eo amin’ny tanin’i Benjamina, sy eo amin’ny manodidina an’i Jerosalema sy eo amin’ny tanànan’i Jodà, eo amin’ny tanànan’ny tendrombohitra sy ny tanànan’i Sefelah, ary amin’ny tanànan’i Negeba; satria hampodiko ireo lasan-ko babo, - teny marin’i Iaveh. -