Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Jeremia 29:21 - Baiboly Katolika

21 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, ny amin’i Akaba zanak’i Kôliasa, sy i Sedesiasa zanak’i Maasiasa, izay maminany lainga aminareo amin’ny Anarako: Indro izy hatolotro eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ka hovonoiny eo imasonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, ny amin’i Ahaba, zanak’i Kolaia, sy ny amin’i Zedekia, zanak’i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin’ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, izy roa lahy dia hovonoiny eo imasonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

21 dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely ny amin’i Ahaba zanakalahin’i Kôlaià sy ny amin’i Tsidekià, zanakalahin’i Mahaseià: Na dia mihambo haminany amin’ny anarako aza izy roa lahy, dia mpilaza lainga. Indro hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izy ka hampamonoiny ho faty eo imasonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’i Ahaba, zanak’i Kolaia, sy ny amin’i Zedekia, zanak’i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin’ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, izy, ka dia hovonoiny eo imasonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'i Ahaba, zanak'i Kolaia, sy ny amin'i Zedekia, zanak'i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin'ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izy, ka dia hovonoiny eo imasonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, ny amin’i Ahaba, zanak’i Kolaia, sy ny amin’i Zedekia, zanak’i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin’ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, izy roa lahy dia hovonoiny eo imasonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Jeremia 29:21
8 Rohy Ifampitohizana  

Satria izao no lazain’i Iaveh: «Indro atolotro ho amin’ny fangorohoroana, ianao sy ny sakaizanao. Izy ireo ho lavon’ny sabatry ny fahavalony, ary ianao hahita maso an’izany. I Jodà rehetra koa hatolotro ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hoentiny babo any Babilôna izy ireo, ary hovonoiny amin’ny sabatra.

Ary ianao, ry Fasora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao, ho lasan-ko babo ianareo; ho any Babilôna ianao; ka any no hahafatesanao; any no handevenana anao, dia ianao mbamin’ny sakaizanao rehetra, izay naminanianao lainga.»

Tamin’ireo mpaminanin’i Jerosalema kosa anefa nahita zava-mahatsiravina Aho, fa izy ireo maka vadin’olona sy mandeha araka ny lainga, mankahery ny tanan’ny ratsy fanahy, mba tsy hisy miverina avy amin’ny haratsiany izy ireo. Amiko izy rehetra, tonga tahaka an’i Sôdôma; ary ny mponina ao Jerosalema tahaka an’i Gômôra.

Kanefa, hoy ianareo dia efa nanangana mpaminany ho anay eto Babilôna, i Iaveh.

Ny hitan’ny mpaminaninao ho anao, dia fahitana mpamitaka sy foana: Tsy naneho ny helokao taminao izy, mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana, fa ny nolazainy taminao ho fahitana, dia teny mandainga sy mandrebireby.

Ary toy ny nisian’ny mpaminany sandoka teo amin’ny vahoaka fahiny, no hisian’ny mpampianatra tsy marina eo aminareo koa, izay hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery sady handà ny Tompo izay nanavotra azy, ka hitari-doza tampoka ho an’ny tenany.

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra