Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 20:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Satria izao no lazain’ny TOMPO: «Indro hatolotro ho amin’ny fihorohoroana ianao sy ny namanao rehetra. Ho fatin’ny sabatry ny fahavalony manko ireo namanao; ary ny masonao no hahita izany. Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vahoakan’i Joda rehetra ka hoentiny ho babo any Babilôna na hovonoiny ho faty amin’ny sabatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko fampihorohoroana ho an’ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ny masonao izany; ary hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ny Joda rehetra, dia hoentiny ho babo any Babilona izy ka hovonoiny amin’ny sabatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Satria izao no lazain’ny TOMPO: «Indro hatolotro ho amin’ny fihorohoroana ianao sy ny namanao rehetra. Ho fatin’ny sabatry ny fahavalony manko ireo namanao; ary ny masonao no hahita izany. Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vahoakan’i Joda rehetra ka hoentiny ho babo any Babilôna na hovonoiny ho faty amin’ny sabatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Satria izao no lazain’i Iaveh: «Indro atolotro ho amin’ny fangorohoroana, ianao sy ny sakaizanao. Izy ireo ho lavon’ny sabatry ny fahavalony, ary ianao hahita maso an’izany. I Jodà rehetra koa hatolotro ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hoentiny babo any Babilôna izy ireo, ary hovonoiny amin’ny sabatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Fa izao no lazain’i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an’ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra hianao, ary ho lavon’ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan’ny mpanjakan’i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin’ny sabatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an'ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon'ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan'ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin'ny sabatra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko fampihorohoroana ho an’ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ny masonao izany; ary hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ny Joda rehetra, dia hoentiny ho babo any Babilona izy ka hovonoiny amin’ny sabatra.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 20:4
22 Rohy Ifampitohizana  

Novonoina ho faty teo imason-drainy ireo zanakalahin’i Tsedekià. Avy teo dia nasain’i Nebokadnetsara nopotsirina ny mason’i Tsedekià; ary nasainy nafatotra gadra halimo izy ka nentina nankany Babilôna.


Oadray! Fongana indray mipi-maso izy, levona matin’ny horohoro tampoka.


Fa vahoaka ratsy tsy mety mihaino izay lazaiko izy, mikiry amin’ny ditram-pony, mifikitra amin’ireo andriamani-kafa ka manompo azy sy miankohoka eo anatrehany. Koa ho tahaka io fehikibo tsy azo ampiasaina intsony io anie ity vahoaka ity!


Voahidy ny tanàna any Negeba, ary tsy misy olona mamoha intsony, satria lasan-ko babo avokoa ny vahoakan’i Joda; eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.


«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro hataoko tonga amin’ity tanàna ity sy amin’ireo tanàna madinika manodidina azy ny loza rehetra izay nambarako hamelezana azy, satria nanamafy hatoka izy, ka tsy nihaino ny teniko.› »


Ary ianao koa, ry Pasehora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia hobaboina. Ary rehefa tonga any Babilôna ianao, dia ho faty any sy halevina any; ho faty sy halevina any ny tenanao mbamin’ny namanao rehetra izay naminanianao lainga.


dia hampaniraka haka ireo fokom-pirenena rehetra any avaratra Aho, ary hiantso an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko. Hasaiko tonga izy hamely ity tany ity sy ny mponina eo ary koa hamely ireto firenena rehetra manodidina anareo ireto; samy haringako tokoa ireo ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-pandatsana mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely ny amin’i Ahaba zanakalahin’i Kôlaià sy ny amin’i Tsidekià, zanakalahin’i Mahaseià: Na dia mihambo haminany amin’ny anarako aza izy roa lahy, dia mpilaza lainga. Indro hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izy ka hampamonoiny ho faty eo imasonareo.


Ahoana izao zavatra hitako izao? Raiki-tahotra izy ka mihemotra. Resy ireo miaramila mahery fo sady mitsoaka mandositra, ka tsy misy miherika akory. Fihorohoroana hatraiza hatraiza, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Nosamborin’ny filohan’ny mpiambina i Seraià mpisorombe sy i Tsefanià lefiny ary ireo mpisorona telo lahy mpiandry varavarana.


ary nasain’ny mpanjakan’i Babilôna novonoina ho faty tao ihany. Toy izany no nitondrana ny vahoaka jodeanina ho babo lavitry ny taniny.


Aza mivoaka ho any an-tsaha, aza mandeha eny an-dalam-be fa ao ny fahavalo mirongo sabatra; ka horohoro hatraiza hatraiza.


Nefa dia hotanako ihany ny iray amin’ny taranakao ho eo anilan’ny alitarako mba hokikisan’ny fialonana sy ny fahoriam-panahy izy; fa ny sisa rehetra kosa dia ho faty tanora.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra