Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 20:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ny haren’ny mponin’ity tanàna ity sy ny vokatry ny asany ary ny zava-tsoa ananany, mbamin’ireo raki-tsarobidin’ny mpanjakan’i Joda dia samy hatolotro avokoa ho eo an-tanan’ny fahavalony, ka horobainy sy halainy ary hoentiny any Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary ny harena rehetra amin’ity tanàna ity, ny vokatry ny fisasarany rehetra, ny zava-tsoany rehetra ary ny harenan’ny mpanjakan’ny Joda rehetra, dia samy hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony ka hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babilona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ny haren’ny mponin’ity tanàna ity sy ny vokatry ny asany ary ny zava-tsoa ananany, mbamin’ireo raki-tsarobidin’ny mpanjakan’i Joda dia samy hatolotro avokoa ho eo an-tanan’ny fahavalony, ka horobainy sy halainy ary hoentiny any Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Hatolotro avokoa ny harena amin’ity tanàna ity, ny vokany rehetra aman-java-tsoany rehetra, ary ny rakitra rehetra an’ny mpanjakan’i Jodà, hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony; ka hobaboiny, halainy, hoentiny mankany Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary ny harena rehetra amin’ity tanàna ity sy ny vokatry ny fisasarany rehetra sy ny zava-tsoany rehetra ary ny rakitry ny mpanjakan’ny Joda rehetra dia samy hatolotro eo an-tànan’ny fahavalony, ka dia hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babylona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary ny harena rehetra amin'ity tanàna ity sy ny vokatry ny fisasarany rehetra sy ny zava-tsoany rehetra ary ny rakitry ny mpanjakan'ny Joda rehetra dia samy hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony, ka dia hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babylona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary ny harena rehetra amin’ity tanàna ity, ny vokatry ny fisasarany rehetra, ny zava-tsoany rehetra ary ny harenan’ny mpanjakan’ny Joda rehetra, dia samy hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony ka hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babilona.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 20:5
24 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga ny lohataona, dia nandefa iraka i Nebokadnetsara ka nitondra an’i Jôiakîna mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ho any Babilôna; dia i Tsedekià rahalahin-drain’i Jôiakîna no nampanjakain’i Nebokadnetsara tamin’i Joda sy i Jerosalema.


Indro ho avy ny andro hitondrana any Babilôna izay rehetra ato an-dapanao sy izay rehetra nangonin’ireo razanao hatramin’izao. Tsy hisy tavela eto na inona na inona, hoy Izaho TOMPO.


Eny amin’ireo havoana ngazana rehetra any an-taniefitra any no mipoitra ireo mpandroba. Hatreo amin’ny sisintany an-kilany ka hatrany amin’ny sisintany an-daniny no andripahan’ilay sabatry ny TOMPO ka tsy misy olona tsitsîny.


Ry Joda, ny harenao sy ny zava-tsoanao dia hatolotro horobaina; ho valin’ny heloka rehetra nataonao manerana ny taninao manontolo izany.


ary eny antampon-tendrombohitra any an-tsaha. Hatolotro horobaina avokoa ny fanananao sy ny haren-tsarobidinao, mbamin’ireo toeran-tsampinao koa aza ho valin’ny ota nataonao tao amin’ny faritaninao manontolo.


Fa hatry ny fahazazànay dia efa lanin’io fivavahana mahamenatra nanompoana an’i Bahala io ny zavatra rehetra nisasaran’ny razanay, dia ny omby aman’ondriny sy ny osiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy.


Indro mandroso hatrany izao ny Babilônianina amin’ny fanaovana fahirano ny tanàna ka hahafaka azy; eny, hatolotra ho eo an-tanan’ny Babilônianina izy, ka hasiany amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Hitanao tsara izao fa tanteraka izay nambaranao.


Nony tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakàn’i Tsedekià dia nisy voabanga ny mandan’ny tanàna.


Ankoatra izany, dia nodoran’ny Babilônianina ny lapan’ny mpanjaka sy ny tranon’ny olona tao Jerosalema sady noravany ny mandan’ny tanàna.


Fahavoazana mifanontona no ambara; rava ny tany manontolo. Rava tampoka teo ny tranolay nitobianay ary fongana indray mipi-maso ny fialofanay.


Naninji-tanana ireo mpandresy haka ny zava-tsarobidiny rehetra. Hitan’i Jerosalema aza fa ny hafa firenena dia nitsofoka tao amin’ny Toeramasina; nefa noraranao ireny, Tompo ô tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao.


Amin’izany androm-pahoriana irenireneny izany no ahatsiarovan’i Jerosalema ireo zava-tsarobidy rehetra izay nananany hatry ny ela. Ireo vahoakany eo an-tanam-pahavalo kosa dia tsy misy mamonjy; ka rehefa mahita an’i Jerosalema ny fahavalony, dia mihomehy ny amin’ny faharavàny.


Tsy nanampo na ny mpanjakan’ny tany na ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao fa hiditra ao an-tanànan’i Jerosalema ny fahavalony ama-mpandrafy azy.


Tahaka ny liona mierona mamiravira haza ireo mpitondra azy ka mandripaka olona sy maka ny vola amam-pananan’ny hafa ka mahatonga vehivavy maro ho mpitondratena.


Dia natolotry ny Tompo teo an-tanany i Jôiakima mpanjakan’i Joda ary ny ampahan’ireo fanaka tao an-tranon’Andriamanitra. Nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilônia ireo olona babo; ny fanaka kosa nentiny ho ao an-tempolin’ireo andriamaniny ary napetrany tao amin’ny efitrano firaketan’io tempoly io.


Fa na dia miroborobo aza i Efraîma eo anivon’ireo mpiray firenena aminy, dia hiakatra avy any an-taniefitra ny rivotra avy atsinanana; ka ny TOMPO no handefa izany. Dia ho ritra ny loharanony ary ho tànkina ny fantsakàny. Hobaboina ny tahiriny, dia ny fanaka sarobidy rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra