Jeremia 17:11 - Baiboly Katolika Tsipoy mikotrika izay atodiny, toy izany ny olona mahazo harena tsy an-drariny; fa tsy maintsy mandao izany eny antenantenan’ny androny, ary ho adala foana no hiafarany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin’ny rariny: Hilaozan’izany eo antenantenan’androny izy; ho lasa adala no hiafarany. DIEM PROTESTANTA Tahaka ny akoho mikotrika atodin-gana, toy izany izay manangon-karena tsy ara-drariny: eo antenatenan’androny izy no hilaozan’izany hareny izany, ka ho lasa adala no iafarany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tahaka ny akoho mikotrika atodin-gana, toy izany izay manangon-karena tsy ara-drariny: eo antenatenan’androny izy no hilaozan’izany hareny izany, ka ho lasa adala no iafarany. Baiboly Protestanta Malagasy Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, Dia toy izany izay mahazo harena tsy amin’ny rariny: Handao azy amin’ny an-tenatenan’androny izany, Ka ho adala no farany. Malagasy Bible Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny: Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany, ka ho adala no farany. La Bible en Malgache Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin’ny rariny: Hilaozan’izany eo antenantenan’androny izy; ho lasa adala no hiafarany. |
Kanjo tsy maharitra, na amin’ny voninahiny aza, ny olombelona: mitovy amin’ny biby izay levona koa izy.
Miankìna amin’i Iaveh fa hanohana anao Izy; tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.
Ny harena azo tsy an-drariny, mihalevona; fa ny manangona azy tsikelikely no mampitombo azy.
Izay fatra-pikatsaka loatra ny fitomboan-karena manakorontana ny ankohonany; fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
Te hanara-maso izay zava-mandalo va ianao? fa maniry elatra ny harena, ka misidina ho eny an-danitra, toy ny voromahery.
Ny mpanapaka tsy manan-tsaina mampitombo ny famoretana, fa izay mankahala ny fierenana kosa, ho lava andro iainana.
Ny olona mahatoky, feno fanambinana, fa ny maimay hanan-karena, tsy hialàm-pahadisoana.
Izay manangon-karena amin’ny zana-bola amam-pilàn-tombony be loatra, dia manangona izany ho an’izay miantra ny mahantra.
Mila loza izay manorina ny tranony tsy amin’ny rariny, sy ny rihany tsy amin’ny hitsiny; izay mampiasa maina ny namany, tsy mandoa ny karamany,
Fa ny masonao amam-ponao tsy mihevitra afa-tsy ny tenanao, mbamin’ny ra tsy manan-tsiny, handatsahana azy sy ny fampahoriana ary fanaovana an-keriny, hanatanterahana izany.
Satria hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe samy manao filàna tsy marina avokoa; hatramin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpisorona samy mamitaka avokoa.
Noho izany, dia homeko ny hafa ny vadiny, ary ny sahany homeko ny tompo hafa; satria hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, samy manao filàna tsy marina avokoa; ary hatramin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpisorona, samy mpamitaka avokoa.
Ary tsy mahay manaraka ny hitsiny izy ireo, - teny marin’i Iaveh, - dia ireo izay mampiavosa ny fahasiahana amam-pandrobana ao anatin’ny lapany.
Ny vehivavy eo amin’ny vahoakako roahinareo hiala amin’ny tranony tsy foiny; esorinareo eo amin’ny zanany madinika ny voninahitro hiala aminy mandrakizay.
Ny ratsy dia efa eo ny tanana hahatontosa azy; ny mpanapaka, mamoritra; ny mpitsara, mametra izay kolikoly ho azy, ary ny lehibe mampiharihary ny fitsiriritany; dia indray mifoko hanao ny ratsy izy.
Hofaizako avokoa amin’izany andro izany, izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, ka nameno fahasahiana amam-pitaka ny tranon’ny tompony.
Izaho no nandefa izany ozona izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ka ho tonga ao amin’ny tranon’ny mpangalatra sy amin’ny tranon’ny mianiana tsy tò amin’ny Anarako, dia hitoetra ao afovoan’izany trano izany ary handevona azy mbamin’ny hazony sy ny vatony.»
Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.
Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.
Fa hoy kosa Andriamanitra taminy: ‹Ry adala, anio alina ihany dia halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza àry izay novorinao?›
Fa izay te hanan-karena, dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza, izay mandentika ny olona amin’ny fandringanana amam-pahaverezana.
ka tsy maintsy tampenam-bava ireny, fa manakorontana fianakaviana maro, sy mampianatra ny tsy mety mba hilany vola.
Ny masony feno fijangajangana sy liam-pahotana lalandava; ny tsy miorin-tsaina tsara, angoleny; ny fony zatry ny fitiavam-bola; eny, zanaky ny fanozonana izy ireo.
Hataony varotra amin’ny teny manodòka ianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.