Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 15:8 - Baiboly Katolika

Ho maro ny mpitondratenany, mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina. Hitondra mpandringana ho ao aminy Aho, ao amin’ny renin’ny mpiady tanora amin’ny mitataovovonana. Hataoko mirotsaka aminy tampoka ny ahiahy mafy sy ny vadi-po.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny mpitondratenany dia mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin’ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny mpitondratenany dia nohamaroiko noho ny fasika amoron-dranomasina. Na dia mitataovovonana aza ny andro, dia nitondrako mpandringana tao aminy handripaka ny renin’ireo zatovo mpiantafika ary nazerako tampoka teo aminy ny hovitra noho ny tahotra

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny mpitondratenany dia nohamaroiko noho ny fasika amoron-dranomasina. Na dia mitataovovonana aza ny andro, dia nitondrako mpandringana tao aminy handripaka ny renin’ireo zatovo mpiantafika ary nazerako tampoka teo aminy ny hovitra noho ny tahotra

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny mpitondratenany mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; Mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin’ny zatovo, Na dia mitataovovonana aza ny andro; Ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny mpitondratenany mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; Mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin'ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; Ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny mpitondratenany dia mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin’ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra.

Jereo ny toko



Jeremia 15:8
15 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpiadinao halavon-tsabatra, ary ny maherinao ho faty an’ady.


Hitomany sy hisaona ny vavahadin’i Siôna, ary efa ory izy, dia hipetraka amin’ny vovoka.»


Amin’izany andro izany, hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray, hanao hoe: «Ny mofonay no hohaninay, ary ny fitafianay no hitafianay, fa aoka mba hitondra ny anaranao izahay, ka halànao tondromaso.»


Fa izao no tenin’i Iaveh: «Ny amin’ny zanaka lahy aman-janaka vavy, teraka amin’ity tany ity; ny amin’ny reny miteraka azy, sy ny amin’ny rainy miteraka azy, amin’ity tany ity:


Koa amin’izany atolory ho amin’ny mosary ny zanany, ary afoizo ho amin’ny lelan-tsabatra izy ireo! Aoka ny vehivavy ao aminy ho faty anaka sy ho faty vady; aoka ny lehilahy ao aminy ho fatin’ny pesta; ary ny zatovo ao aminy ho fatin-tsabatra amin’ny ady!


Efa manomana mpandrava hamely anao Aho, ka samy mitondra ny fiasàny avy izy ireo; hokapainy ny sederanao voafantina, dia hatsipiny amin’ny afo.


Ampandreneso ny firenena izany; ambarao azy ireo ny lozan’i Jerosalema. Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra, manao akoralava hamely ny tanànan’i Jodà.


Noho izany ny liona avy any an’ala mamely azy; ny amboadia avy any an’efitra mandringana azy; ny pantera mamitsaka eo anoloan’ny tanànany, ka izay mivoaka avy ao voaviravira avokoa; satria efa maro ny hadisoany, ary efa betsaka ny fiodinany.


Ry zanaka vavin’ny vahoakako, misikìna lamba malailay; mihosena amin’ny lavenona; manaova fisaonana, toy ny fisaonana zanaka lahy tokana; midradradradrà mafy fa tonga tampoka amintsika ny mpandringana.


Kamboty tsy manan-dray izahay, toy ny mpitondratena ny reninay.


Misy firaisan-tetiky ny mpaminaniny eo afovoany. Toy ny liona mierona mamiravira ny hazany, dia mihinana ny fanahy izy ireo; mifaoka ny fananana sy ny rakitra, mampitonbo isa ny mpitondratenany eo afovoany.


Ho tafintohina ianao, amin’ny antoandro; hiara-tafintohina aminao koa ny mpaminany amin’ny alina; ary hataoko levona ny reninao.


Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany.