Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 3:25 - Baiboly Katolika

25 Ny mpiadinao halavon-tsabatra, ary ny maherinao ho faty an’ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ho lavon-tsabatra ny lehilahy ao aminao ary ho faty an’ady ny lehilahy mahery fo ao aminao

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 Ry Jerosalema ô, ho fatin-tsabatra ny lehilahy ao aminao, ary ho faty an’ady ny miaramilanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Ry Jerosalema ô, ho fatin-tsabatra ny lehilahy ao aminao, ary ho faty an’ady ny miaramilanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an-ady;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an'ady;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Ho lavon-tsabatra ny lehilahy ao aminao ary ho faty an’ady ny lehilahy mahery fo ao aminao

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 3:25
12 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro monja dia nisy 120.000, samy lehilahy mahery avokoa, no matin’i Fasea zana-dRomeliasa, tamin’i Jodà, satria izy ireo nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.


Ary noho izany, dia indro fa lavon’ny sabatra ny razantsika, lasan-ko babo ny zanaka lahintsika sy ny zanaka vavintsika mbamin’ny vadintsika.


fa raha manohitra sy miodina kosa ianareo, dia ho levonin’ny sabatra; fa efa niteny ny vavan’i Iaveh.


atolotro ho an’ny sabatra ianareo, ka hiondrika hovonoina avokoa. Satria miantso Aho, tsy novalianareo, niteny Aho, fa tsy nohenoinareo; fa izay ratsy eo imasoko no nataonareo, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.


Noho izany izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Indro aho hamay azy ireo, ny zatovo, ho fatin’ny sabatra; ny zanany lahy aman-janany vavy, ho fati-mosary; ary tsy hisy miangana aminy;


Raha mankany an-tsaha aho, dia indreto olona voagorobaky ny sabatra; raha miditra ao an-tanàna, dia inty ny fahoriana avy amin’ny mosary. Ny mpaminany ama-mpisorona avy no mirenireny any amin’ny tany tsy fantany.


Ho maro ny mpitondratenany, mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina. Hitondra mpandringana ho ao aminy Aho, ao amin’ny renin’ny mpiady tanora amin’ny mitataovovonana. Hataoko mirotsaka aminy tampoka ny ahiahy mafy sy ny vadi-po.


Koa amin’izany atolory ho amin’ny mosary ny zanany, ary afoizo ho amin’ny lelan-tsabatra izy ireo! Aoka ny vehivavy ao aminy ho faty anaka sy ho faty vady; aoka ny lehilahy ao aminy ho fatin’ny pesta; ary ny zatovo ao aminy ho fatin-tsabatra amin’ny ady!


Hofoanako amin’ity fitoerana ity ny fisainan’i Jodà sy i Jerosalema; hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony izy, sy amin’ny tanan’ireo nitady ny ainy; ary ny fatiny homeko hohanin’ny voromanidina sy ny bibin’ny tany.


Izay mbola hitoetra amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny sabatra na ny mosary na ny pesta; izay hivoaka hanatona ireo Kaldeanina na manao fahirano anareo kosa dia ho velona ary hanana ny ainy ho babony.


Miampatrampatra amin’ny tany eny an-dalambe, ny ankizy sy ny anti-dahy; ny virjiniko aman-jatovoko, lavon’ny sabatra; namono tamin’ny andron’ny fahatezeranao ianao; namono tsy nanana antra ianao!


Ho fatin’ny sabatra avokoa ny mpanota, amin’ny vahoakako, izay manao hoe: Tsy hanakaiky anay akory ny loza tsy hahatratra anay akory ny loza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra