Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 3:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Ry Jerosalema ô, ho fatin-tsabatra ny lehilahy ao aminao, ary ho faty an’ady ny miaramilanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ho lavon-tsabatra ny lehilahy ao aminao ary ho faty an’ady ny lehilahy mahery fo ao aminao

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Ry Jerosalema ô, ho fatin-tsabatra ny lehilahy ao aminao, ary ho faty an’ady ny miaramilanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Ny mpiadinao halavon-tsabatra, ary ny maherinao ho faty an’ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an-ady;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an'ady;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 3:25
12 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro monja i Peka dia nampamono ho faty vondro-miaramila jodeanina 120, noho ny nandaozan’ireo ny TOMPO Andriamanitry ny razany.


He! matin’ny sabatra ireo vatan-dehilahy razantsika, ary ny vady aman-janany dia efa natao sambo-belona.


Fa raha mandà kosa ianareo ka mikomy, dia ny sabatra no handripaka anareo.» Izany no nambaran’ny TOMPO.


dia hatolotro ho voan’ny sabatra ianareo ka haringana avokoa eo am-pandohalehana, satria nantsoiko ianareo fa tsy namaly ary nitenenako fa tsy nihaino. Izay ratsy eo imasoko no nataonareo, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.


Eny, izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao ny amin’ny mponin’i Hanatôta: «Hirotsaka an-tsehatra hamely azy Aho: ho fatin-tsabatra ny tovolahiny, ary ho faty mosary ny zanany lahy sy vavy.


Raha mivoaka eny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako; raha miditra an-tanàna aho, dia ireo matin’ny mosary no hitako. Ny mpaminany sy ny mpisorona dia mivezivezy eo amin’ny tany, fa tsy mahalala na inona na inona.


Ny mpitondratenany dia nohamaroiko noho ny fasika amoron-dranomasina. Na dia mitataovovonana aza ny andro, dia nitondrako mpandringana tao aminy handripaka ny renin’ireo zatovo mpiantafika ary nazerako tampoka teo aminy ny hovitra noho ny tahotra


Noho izany, avelao ny zanany ho fatin’ny mosary; ary ny tenan’ireo mpiampanga ahy poteho amin’ny sabatra. Aoka ny vadiny ho maty anaka sy ho tonga mpitondratena. Aoka ny lehilahy lehibe haripaky ny areti-mandringana ary ny zatovony ho faty an’ady.


Eto amin’ity toerana ity no hanafoanako ny pôlitikan’i Joda sy i Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anatrehan’ireo fahavalony izay mitady hahafaty azy ny mponina ao aminy, ary homeko ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny.


Na iza na iza mijanona amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ato. Fa izay mivoaka ny tanàna kosa mba hitolo-batana amin’ny mpanafika dia hahavonjy ny ainy.


Na antitra na tanora dia maty mitsitsitra eny an-dalambe. Ny tovolahiko sy ny tovovaviko dia samy matin’ny sabatra. Novonoinao tamin’ny androm-pahatezeranao izy, naringanao tsy nisy fiantrana.


Ho faty an’ady ny mpanota rehetra amin’ny vahoakako, dia ireo nilaza hoe: ‹Ny loza tsy hananontanona anay sady tsy hahatratra anay!› »


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra