Ny maso mijery ahy, tsy hahita ahy intsony; ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho eo intsony aho.
Jeremia 10:20 - Baiboly Katolika Ny laiko rava; ny kofehin-daiko, tapaka avokoa; ny zanako nandao ahy, tsy misy intsony izy ireo; tsy misy olona intsony, hanangana indray ny laiko, sy hanorina indray ny tranolaiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rava ny tranolaiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; lasa ny zanako ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny tranolaiko intsony na hanenjana ny ambaindaiko. DIEM PROTESTANTA Rava ny laiko, tapaka avokoa ny tadiny. Tsy manan-janaka intsony aho fa lasa ireo. Tsy misy hanangana ny laiko intsony na hanorina indray ny fialofako.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rava ny laiko, tapaka avokoa ny tadiny. Tsy manan-janaka intsony aho fa lasa ireo. Tsy misy hanangana ny laiko intsony na hanorina indray ny fialofako.» Baiboly Protestanta Malagasy Rava ny laiko, Ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; Lasa ny zanako, ka tsy misy intsony, Eny, tsy misy hamelatra ny laiko intsony Na hanantona ny ambain-daiko. Malagasy Bible Rava ny laiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; Lasa ny zanako, ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny laiko intsony na hanantona ny ambain-daiko. La Bible en Malgache Rava ny tranolaiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; lasa ny zanako ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny tranolaiko intsony na hanenjana ny ambaindaiko. |
Ny maso mijery ahy, tsy hahita ahy intsony; ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho eo intsony aho.
Vao mihodina indray mandeha ny ratsy fanahy, dia tsy eo intsony; fa mijoro hatrany kosa, ny ankohonan’ny marina.
Nataoko tao am-bavanao ny teniko, ary noalofako tamin’ny aloky ny tanako ianao, mba hamboly lanitra sy hanorina tany, ary hilaza amin’i Siôna hoe: «Vahoakako ianao!»
Tsy nisy nitari-dalana azy, na iray aza, ny zanany naterany rehetra. Tsy nisy nitantana azy, na iray aza, ny zanaka notezainy rehetra.
Halalaho ny itoeran’ny lay, velaro ny ambaim-ponenanao, aza hazonina fa alefaso ho lava ny tadinao, ary aoreno mafy ny tsima-day!
Fa efa hamehy anao aho, efa hositraniko amin’ny ferinao ianao, -teny marin’i Iaveh.- Fa ny anaranao dia atao hoe: Ikala noroahina, Siôna tsy manam-piahy!
Izao no lazain’i Iaveh: Nisy feo re tany Ramà, dia fidradradradràna sy fitomaniana mangidy; fa nitomany ny zanany i Rasela ka mandà tsy hampiononina izy, ny amin’ny zanany, satria tsy velona intsony ireo.
Fandravana mitongoa fandravana no ambara; fa rava ny tany rehetra. Rava tampoka ny laiko, raha indray mihelina monja ny trano laiko.
Ny mpampahory azy mahery, ny fahavalony miadana; fa izy nampahorin’i Iaveh, noho ny hamaroan’ny fahadisoany. Ny zanany madinika lasan-ko babo, eo anoloan’ny mpampahory.
Ny vehivavy eo amin’ny vahoakako roahinareo hiala amin’ny tranony tsy foiny; esorinareo eo amin’ny zanany madinika ny voninahitro hiala aminy mandrakizay.