Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 31:15 - Baiboly Katolika

15 Izao no lazain’i Iaveh: Nisy feo re tany Ramà, dia fidradradradràna sy fitomaniana mangidy; fa nitomany ny zanany i Rasela ka mandà tsy hampiononina izy, ny amin’ny zanany, satria tsy velona intsony ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Izao no lazain’NY TOMPO: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; nitomany ny zanany Rahely ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin’ny zanany satria lany ritra ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 Izao no lazain’ny TOMPO: Nisy fitarainana heno tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy. I Rahely no mitomany ny zanany; ka tsy mety nampiononina izy satria tsy eo intsony ny zanany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Izao no lazain’ny TOMPO: Nisy fitarainana heno tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy. I Rahely no mitomany ny zanany; ka tsy mety nampiononina izy satria tsy eo intsony ny zanany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Izao no lazain’i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, Dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin’ny zanany, Satria lany ritra ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Izao no lazain'i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin'ny zanany, satria lany ritra ireny.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 31:15
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia maty i Rasela, ka nalevina teo amin’ny lalana mankany Efrata dia Betlehema izany.


Tonga nampionona azy avokoa ny zanany lahy aman-janany vavy rehetra; nefa tsy nety nionona izy, fa hoy izy: «Hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny fonenan’ny maty aho.» Ary nitomany azy, ity rainy.


Ary hoy ny navaliny: «Roa ambin’ny folo mirahalahy izahay mpanomponao ary zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ny tany Kanaana; fa izao kosa ny faralahy dia any amin-drainay, ary ny anankiray tsy velona intsony.»


Hoy i Jakôba rainy taminy: «Foananareo anaka aho, fa i Josefa tsy eto intsony, i Simeôna koa tsy eto, i Benjamina indray halainareo; ary izaho ihany no itambesaran’izany rehetra izany.»


Nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra i Enôka, dia tsy hita intsony, fa nentin’Andriamanitra izy.


Nahoana no dia tsy avelanao ny heloko? Nahoana no dia tsy hadinoinao ny hadisoako? Fa vetivety foana dia handry amin’ny vovoka aho, ary hitady ahy Ianao; fa tsy hisy intsony aho».


Nandalo aho dia tsy teo intsony izy; nitady azy aho fa tsy hita intsony izy.


Miakatra ho any amin’Andriamanitra ny feoko, ka mitaraina aho; miakatra ho any amin’Andriamanitra ny feoko: aoka hihaino ahy anie Izy.


Nihoatra ny hadilalana izy ireo, nitoby tao Gabà tamin’ny alina; raiki-tahotra mafy i Ramà, vaky nandositra i Gabaan’i Saola.


Koa niteny aho nanao hoe: «Mihodìna tsy hijery ahy, aoka hitomany mafy aho! Aza maimay hampionona ahy, noho ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.»


Ny laiko rava; ny kofehin-daiko, tapaka avokoa; ny zanako nandao ahy, tsy misy intsony izy ireo; tsy misy olona intsony, hanangana indray ny laiko, sy hanorina indray ny tranolaiko.


Ny teny natao tamin’i Jeremia avy amin’i Iaveh taorian’ny nandefasan’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tany Ramà, nony nampanalainy izy, ilay mbola nifatotra iny, teo amin’ireo babo rehetra avy any Jerosalema sy Jodà izay nentina ho any Babilôna.


Nanota ny razanay, tsy eo intsony anefa izy, ka izahay ity no mivesatra ny helony.


Novelariny teo anoloako io, ka voasoratra ny tao anatiny sy ny teo ivelany; ary hira fisaonana amam-pitomaniana sy fitarainana no voasoratra teo.


I Gabaôna, i Ramà, i Berôta,


Teo ambanin’ny rofian’i Debôrà, anelanelan’i Ramà sy i Betela, amin’ny tendrombohitra Efraima, no nipetrahany hitsara; niakatra ny zanak’i Israely nanatona azy hotsaraina.


Raha efa izany dia niverina any Ramà izay misy ny tranony izy, dia nitsara an’i Israely tao, ary nanorina ôtely tao ho an’i Iaveh.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra