Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 59:10 - Baiboly Katolika

Miraparapa manara-drindrina, hoatra ny jamba isika, miraparapa hoatra ny olona tsy mana-maso; tafintohina amin’ny mitataovovonana, hoatra ny maizin-takariva; eo afovoan’ny olona matanjaka isika dia sahala amin’ny olona maty.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika; eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny maizimaizina isika, ary ao anatin’ny hery sy tanjaka nefa tahaka ny maty.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mandeha mitsapatsapa manara-drindrina toy ny olona jamba isika ary miraparapa toy ny tsy mana-maso. Antoandro mitataovovonana dia tafintohina isika tahaka ny efa amin’ny maizimaizina; ary salama be izao isika nefa toy ny olona maty.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mandeha mitsapatsapa manara-drindrina toy ny olona jamba isika ary miraparapa toy ny tsy mana-maso. Antoandro mitataovovonana dia tafintohina isika tahaka ny efa amin’ny maizimaizina; ary salama be izao isika nefa toy ny olona maty.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika Eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; Tafintohina amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny maizimaizina isika, Ary eo amin’ny matanjaka dia tahaka ny maty isika.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny maizimaizina isika, ary eo amin'ny matanjaka dia tahaka ny maty isika.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika; eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny maizimaizina isika, ary ao anatin’ny hery sy tanjaka nefa tahaka ny maty.

Jereo ny toko



Isaia 59:10
16 Rohy Ifampitohizana  

ka tojo ny haizina amin’ny antoandro izy ireny ary miraparapa toy ny amin’ny alina, amin’ny mitatao vovonana indrindra.


Fa toy ny haizina kosa ny lalan’ny ratsy fanahy, ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy.


Noho izany, ho azy ireo ny tenin’i Iaveh, dia «ho didy manampy didy, didy manampy didy; fitsipika manampy fitsipika, mbetika izao mbetika izany»; mba handeha izy ireo, ka ho lavo mitsilany, ho torotoro ary ho voasambotra amin’ny fandrika.


Dia ho fitoerana masina Izy, nefa koa ho vato fanafintohinana sy ho vatolampy mahasolafaka ho an’ny firenena roa amin’i Israely, ho fandrika aman-tonta ho an’ny mponina eny Jerosalema.


Maro amin’izy ireo no ho tafintohina, ho lavo, sady ho montsamontsana; ary ho voafandrika sy ho voasambotra.


Manomeza voninahitra an’i Iaveh Andriamanitrareo, dieny tsy mbola tonga ny haizina, dieny tsy mbola mipoka amin’ny tendrombohitry ny alina ny tongotrareo, dieny tsy mbola novany ho aloky ny fahafatesana ny mazava andrasanareo, ary tsy mbola nampanjariny ho haizim-pito.


Nampitoeriny amin’ny maizina, toy ny efa maty fahagola aho.


Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy ireo, sady nihosin-dra, hany ka tsy azo nokasihina akory ny fitafiany.


voaranitra izy, handringanana; voafotsy izy, mba handefa tselatra manjopelaka. Sa hifaly va isika, hanao hoe: Vingavingain’ny tehim-panjakan’ny zanako, ny hazo rehetra?


Amin’izany andro izany, izao no hitranga, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Ny masoandro halentiko mitatao vovonana; ary ny tany hosaronako haizina amin’ny andro tony tsara.


Koa alina no ho azonareo ho solon’ny fahitana; ary haizina ho solon’ny faminaniana; ny masoandro hilentika amin’ny mpaminany ary ny andro ho maizina amin’izy ireo.


Dia hoy i Jesoa taminy: «Kely foana sisa hitoeran’ny mazava eto aminareo, ka mandehana dieny mbola eo aminareo ny mazava, fandrao tratry ny haizina ianareo, satria izay mandeha amin’ny haizina dia tsy mahalala izay alehany akory.


«Efa nohajambainy ny masony, ary nohamafisiny ny fony, fandrao mahita ny masony ka hahafantatra ny fony, dia hibebaka izy, ka sao sitraniko.»


hitsapatsapa amin’ny mitataovovonana, toy ny jamba amin’ny haizim-pito ianao; tsy hahomby amin’ny lalana halehanao, hampahorina isan’andro ianao, ary hobaboina, nefa tsy hisy hamonjy anao.


Fa izay mankahala ny namany dia ao anatin’ny haizina sy mandeha amin’ny maizina, ka tsy mahalala izay halehany, fa voajamban’ny haizina ny masony.