Dia niorim-ponenana teo amin’ny toerana mimanda i Davida, ka nataony hoe: Tanànan’i Davida izany. Ary nanorina trano tamin’ny manodidina i Davida hatrany Melaô, mbamin’ny ao anatiny koa.
Isaia 29:1 - Baiboly Katolika Loza ho an’i Ariela, dia i Ariela, ilay tanàna nilasian’i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingerina ireo fety lehibe, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lozan’i Ariela, dia i Ariela, tanàna nitobian’i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana, DIEM PROTESTANTA «Indrisy, ry Ariela! Ry Ariela, tanànan’i Jerosalema, nataon’i Davida fahirano fahiny! Na hiverina isan-taona isan-taona aza ny fitsingeringerenan’ny andro fety, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Indrisy, ry Ariela! Ry Ariela, tanànan’i Jerosalema, nataon’i Davida fahirano fahiny! Na hiverina isan-taona isan-taona aza ny fitsingeringerenan’ny andro fety, Baiboly Protestanta Malagasy LOZAN’i Ariela, lozan’i Ariela, Tanàna nitoeran’ i Davida! Ampio taona ny taona, Aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana; Malagasy Bible Lozan'i Ariela, lozan'i Ariela, Tanàna nitoeran'i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana; La Bible en Malgache Lozan’i Ariela, dia i Ariela, tanàna nitobian’i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana, |
Dia niorim-ponenana teo amin’ny toerana mimanda i Davida, ka nataony hoe: Tanànan’i Davida izany. Ary nanorina trano tamin’ny manodidina i Davida hatrany Melaô, mbamin’ny ao anatiny koa.
Ary hoy ny Tompo: «Satria ity firenena ity manatona Ahy amin’ny vavany sy mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ny fony ampanalaviriny Ahy, ary ny fivavahana ataony amiko dia didy nianarany tamin’olombelona,
Migagà ianareo, ka aoka hitanàka foana ianareo! Manajambà tena ianareo, ka aoka ho voajamba! Mamo izy ireo nefa tsy tamin-divay, mivembena izy ireo nefa tsy tamim-pisotro mahery.
Ny vatolampy handositra aman-tahotra; ary ny andriandahiny mangovitra handao ny faneva, - teny ton’i Iaveh - izay manana ny afony ao Siôna, sy ny fatam-pandoroany ao Jerosalema.»
Harpa amam-baliha sy langoroany, ary sodina aman-divay, dia izay no fanasan’izy ireo; fa ny asan’i Iaveh tsy asiany fiheverana, ary ny ataon’ny tanany tsy jereny akory.
Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny lalany, sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: «Anampio ny soronareo ny sorona doranareo ka hano ny henan’izany;
Hitondra ny ombiny aman’ondriny izy ireo, handeha hitady an’i Iaveh, nefa tsy hahita azy, fa nisaraka tamin’ireo izy.
Ny sorona aterin’izy ireo ho Ahy, dia ny henan’ny zavatra vonoiny sy haniny; tsy ankasitrahin’i Iaveh izany. Hahatsiaro ny helok’izy ireo izy ankehitriny, ka hanasazy ny fahotany: hiverina any Ejipta izy ireo.
Tsy hanolotra divay ho fanatitra araraka ho an’i Iaveh izy: ary tsy hankasitrahiny ny sorona ataony; fa toy ny fahan-kanina fisaonana izany aminy, ka haloto izay mihinana amin’izany; satria ny hanin’izy ireo ho an’ny tenany ihany, fa tsy hiditra ao an-tranon’i Iaveh.
Ny Lalàna moa dia tsy misy afa-tsy aloky ny soa ho avy, fa tsy ny tena endri-javatra, ka ireny sorona tsy niova sy fanatitra isan-taona ireny dia tsy nahalavorariany izay olona nanatona velively akory.