Tsy izany fa mitana ny fanahiko amin’ny fiononana sy fanginana aho, toy ny zaza vao notazana eo ampofoan-dreniny, toy ny zaza vao notazana ny fanahiko ato anatiko.
Isaia 28:9 - Baiboly Katolika «Iza no tadiaviny hampianarina fahendrena, ary zovy no tadiaviny hamoasana ny fianarana? Ny zaza vao notazana, vao mitsaha-nono va? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hanazavany lesona? Zaza vao nosaraha-nono va? Zaza vao nitsaha-ninono va? DIEM PROTESTANTA Dia velom-panontaniana izy hoe: «Iza no tian’iny Isaià iny hampianarina sy hanazavana ny fanambaràna azony? Ankizy vao notazana ve sa zazakely vao nisara-nono? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia velom-panontaniana izy hoe: «Iza no tian’iny Isaià iny hampianarina sy hanazavana ny fanambaràna azony? Ankizy vao notazana ve sa zazakely vao nisara-nono? Baiboly Protestanta Malagasy Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va? Malagasy Bible Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va? La Bible en Malgache Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hanazavany lesona? Zaza vao nosaraha-nono va? Zaza vao nitsaha-ninono va? |
Tsy izany fa mitana ny fanahiko amin’ny fiononana sy fanginana aho, toy ny zaza vao notazana eo ampofoan-dreniny, toy ny zaza vao notazana ny fanahiko ato anatiko.
ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; hampianatra antsika ny lalàny Izy, ary hizotra amin’ny lalany isika. Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’i Iaveh.»
Homen’ny Tompo anareo ny hanim-piahiahiana mafy sy ny ranom-pahoriana; ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao, ary hahita maso an’izay mampianatra anao ianao.
Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, ilay Masin’i Israely: «Izaho Iaveh, Andriamanitrao, mampianatra anao mba hahitanao soa; mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao aho.
Nomen’i Iaveh Tompo, ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mandehana ianao milazà amin’ny olona any Jodà, sy amin’ny mponina ao Jerosalema hoe: Tsy mba hety handray fampianarana amin’ny fihainoana ny teniko va ianareo? - teny marin’i Iaveh. -
Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
Iza no hitenenako, ary zovy no hiangaviako hihainoany ahy? Indro fa tsy voafora ny sofin’izy ireo, ka tsy mahahaino izy. Indro fa tonga fahafaham-baraka ho azy ireo ny tenin’i Iaveh, ka tsy ankasitrahiny kely akory.
Tamin’izany andro izany, dia hoy indray i Jesoa: Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.
Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any.»
mba hahatanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany manao hoe: «Tompo ô, iza moa no nino izay teny nampilazaina anay, ary zovy no nampisehoana ny sandrin’ny Tompo?»
Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany.
maniria fatratra ny rononom-panahy tsy misy famahony, toy ny zaza vao teraka, mba hampitomboany anareo amin’ny famonjena,