Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan’ny Tompo ny asany manontolo, amin’ny tendrombohitra Siôna sy amin’i Jerosalema, dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon’ny mpanjakan’i Asiria, sy ny reharehan’ny masony miandranandrana.
Isaia 27:7 - Baiboly Katolika Moa nasiana toy ny namelezana an’ireo namely azy va izy? Moa novonoina toy ny namonoana an’ireo namono azy va izy? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no mba namelezany azy koa? Tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa? DIEM PROTESTANTA Nokapohin’ny Tompo ireo nikapoka ny vahoakany; toy izany koa ve no nikapohan’ny Tompo ilay vahoakany? Naripaky ny Tompo ireo nandripaka ny vahoakany; toy izany koa ve no nandripahan’ny Tompo ilay vahoakany? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nokapohin’ny Tompo ireo nikapoka ny vahoakany; toy izany koa ve no nikapohan’ny Tompo ilay vahoakany? Naripaky ny Tompo ireo nandripaka ny vahoakany; toy izany koa ve no nandripahan’ny Tompo ilay vahoakany? Baiboly Protestanta Malagasy MOA tahaka ny namelezana izay namely azy va no mba namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa? Malagasy Bible Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa? La Bible en Malgache Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no mba namelezany azy koa? Tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa? |
Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan’ny Tompo ny asany manontolo, amin’ny tendrombohitra Siôna sy amin’i Jerosalema, dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon’ny mpanjakan’i Asiria, sy ny reharehan’ny masony miandranandrana.
Ny fahazavan’i Israely no ho afo; ary ny Masiny no ho lelafo, handroso sy handevona, indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny.
Amin’ny andro hariva dia indro ny fahareraham-po; alohan’ny maraina dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran’ireo mandroba antsika, izany no hanjò an’ireo mamabo antsika.
Halana amin’i Efraima ny manda, ary ny fanjakana amin’i Damasa; ny sisa amin’i Siria, ho toy ny voninahitry ny zanak’i Israely, - teny ton’i Iavehn’ny tafika.
Ary i Asora ho lavon-tsabatra, nefa tsy sabatr’olombelona; sabatra izay tsy sabatr’olombelona no handevona azy; handositra eo anoloan’ny sabatra izy, ary ny zatovony hampandoavina hetra.
Ny vatolampy handositra aman-tahotra; ary ny andriandahiny mangovitra handao ny faneva, - teny ton’i Iaveh - izay manana ny afony ao Siôna, sy ny fatam-pandoroany ao Jerosalema.»
Toy ny tamin’ny nandravan’Andriamanitra an’i Sôdôma sy i Gômôra, mbamin’ireo tanàna manodidina azy, - teny marin’i Iaveh, - no tsy hisian’olona monina eo; ny zanak’olombelona tsy hitoetra eo.
Nefa hafotitro amin’i Babilôna mbamin’ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra nataony tao Siôna teo imasonareo, - teny marin’i Iaveh. -
Ny aminao kosa, izao no voadidin’i Iaveh: Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao; hofoanako ao an-tranon’ny Andriamanitrao ny sarin-javatra voapaika sy ny anidina; manomam-pasana ho anao Aho satria latsa-danja ianao.
Tsy lai-panafody ny ratranao; ratsy ny ferinao; izay rehetra hitantarana ny nanjò anao, hiteha-tanana noho ny aminao avokoa; satria zovy moa no tsy niharan’ny hasomparanao lava izao?