Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 27:6 - Baiboly Katolika

6 Amin’ny andro ho avy i Jakôba handatsa-paka, i Israely hamony sy hitsimoka, ary hofenoiny amin’ny vokany izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Amin’ny andro ho avy dia hiorina tsara i Jakoba; ary hamony sy hitsimoka Israely ka hameno izao tontolo izao amin’ny vokany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 Amin’ny andro ho avy, dia hanan-tsimoka vaovao ny vahoakan’i Jakôba ary hamony hivelatra indray i Israely. ka hameno izao tontolo izao ny voany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Amin’ny andro ho avy, dia hanan-tsimoka vaovao ny vahoakan’i Jakôba ary hamony hivelatra indray i Israely. ka hameno izao tontolo izao ny voany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Amin’ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka Ka hameno izao tontolo izao amin’ny fahavokarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Amin'ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin'ny fahavokarany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Amin’ny andro ho avy dia hiorina tsara i Jakoba; ary hamony sy hitsimoka Israely ka hameno izao tontolo izao amin’ny vokany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 27:6
21 Rohy Ifampitohizana  

Ka indreny tazana mankatsỳ mankarỳ ireny araka ny didiny, hanatanteraka izay rehetra andidiany azy, eny ambonin’ny tany misy mponina.


Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina, hiravoravo ny tany lemaka lava volo,


ary hamony tahaka ny narsisa; hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana ary hanao hoby firavoravoana izy. Homena azy ny voninahitr’i Libàna mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna. Izy ireo hahita ny voninahitr’i Iaveh, sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.


Izay voavonjy tamin’ny taranak’i Jodà, izay sisa tavela mbola handatsaka faka any ambany, ary hamoa voa any ambony.


«Amin’izany andro izany, ny solofon’i Iaveh ho haingo amam-boninahitra, ary ny vokatry ny tany ho rehareha amam-piravaka, ho an’ireo sisan’i Israely afaka.


Ary na ny ampahafolon’ny mponina aza no sisa eo, dia mbola haripaka indray ihany koa ireo. Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka, rehefa voakapa mbola manam-pototra; ny fototr’i Israely, dia ho tsimoka masina.»


Ny vitsy indrindra ho tonga arivo; ary ny kely indrindra ho firenena mahery. Izaho Iaveh no hanafaingana izany samy amin’ny fotoany avy.


Hira fiderana no hivoaka avy ao, sy hobim-piravoravoana. Hahamaro azy Aho, ka tsy hohavitsîna intsony izy; hanome voninahitra azy Aho, ka tsy hohamavoina intsony izy;


Hohamaroiko ny olona eo aminareo, dia ny taranak’i Israely rehetra rehetra; ny tanàna, honenana; ary ny efa rava, haorina indray.


Ary ianareo kosa, ry tendrombohitr’i Israely, haniry ny rantsanareo, sy hahavokatra ny voanareo ho an’i Israely vahoakako; fa efa akaiky ny hiaviany.


Izao no ho tonga amin’izany andro izany: Izaho hamaly, - teny marin’i Iaveh, - Izaho hamaly ny fangatahan’ny lanitra, ary izy hamaly ny fangatahan’ny tany;


Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao, ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!


Ary raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama tahaka Azy, ka mpandova araka ny fampanantenana.


Fa isika no tena voafora, dia isika izay manompo an’Andriamanitra amin’ny Fanahy, sy manao an’i Kristy Jesoa ho reharehantsika, ary tsy mitoky amin’ny nofo.


Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra