Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 27:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Amin’ny andro ho avy, dia hanan-tsimoka vaovao ny vahoakan’i Jakôba ary hamony hivelatra indray i Israely. ka hameno izao tontolo izao ny voany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Amin’ny andro ho avy dia hiorina tsara i Jakoba; ary hamony sy hitsimoka Israely ka hameno izao tontolo izao amin’ny vokany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Amin’ny andro ho avy, dia hanan-tsimoka vaovao ny vahoakan’i Jakôba ary hamony hivelatra indray i Israely. ka hameno izao tontolo izao ny voany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Amin’ny andro ho avy i Jakôba handatsa-paka, i Israely hamony sy hitsimoka, ary hofenoiny amin’ny vokany izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Amin’ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka Ka hameno izao tontolo izao amin’ny fahavokarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Amin'ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin'ny fahavokarany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 27:6
21 Rohy Ifampitohizana  

Andriamanitra no mampihodinkodina azy mba hahatanteraka, araka ny fikasany, izay rehetra nandidiany azy eran’izao tontolo izao.


Aoka hiravoravo ny taniefitra sy ny tany karankaina! Aoka hifaly ny tany ngazana ka hamony voninkazo meva toy ny lisy.


Aoka ho rakotra voninkazo izy ka hitotorebika sy handihy ary hihorakora-pifaliana! Satria nomen’ny TOMPO azy ny voninahitr’i Libano mbamin’ny famirapiratan’ny tendrombohitra Karmela sy ny famirapiratan’ny lemak’i Sarôna. Amin’izay no hahitana ny voninahitry ny TOMPO sy ny famirapiratan’ilay Andriamanitsika.


Ary izay sisa velona amin’ny taranak’i Joda dia ho toy ny hazo hamaka lalina indray ary ho feno voa ny rantsany;


Amin’izany andro izany, izay ampanirin’ny TOMPO eo amin’ny tany dia ho tabiha sy ho voninahitra ho an’izay sisa velona teo amin’i Israely, ka izay vokatry ny tany no ho mariky ny fiandrianany sy reharehany.


Raha misy ampahafolon-tany tsy tratry ny loza aza, dia mbola hodorana amin’ny afo ihany koa izany; saingy ho tahaka ny hazo terebinta na ny ôaka izay mamela fototra ihany na voakapa aza. Kanefa avy amin’izany fototra tavela izany no hisian’ny taranaka masina indray.


Ny fianakaviana kely indrindra ho tonga olona arivo, ary ny fianakaviana osa indrindra hanjary firenena mahery. Izaho TOMPO mihitsy no hanafaingana izany amin’ny fotoana tokony hahatongavany.


Re avy ao ny hira fiderana sy ny horakora-pifaliana. Tsy hihavitsy intsony ianareo, ry taranak’i Jakôba, fa hohamaroiko; tsy hatao tsinontsinona intsony ianareo, fa horakofako voninahitra.


Hohamaroiko ny mponina manerana ny tanin’i Israely. Honenana indray ireo tanàna satria efa voaorina ny rava.


Amin’izay fotoana izay ny hazo eny an-tendrombohitr’i Israely dia handravina sy hamoa ho anareo, ry Israelita vahoakako; fa efa antomotra ny hiverenanareo any an-tanindrazanareo.


Rehefa mby amin’izany andro izany, dia ho TOMPO hamaly izay ilaina Aho, hoy ny teny hentitra ambarako: Izaho no hamaly izay ilain’ny lanitra; ny lanitra hamaly izay ilain’ny tany,


«He! Ry vahoakan’i Tsiôna voasesitany ao Babilôna, mitsoaha tao ianareo.»


Ary raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny fampanantenana nataon’Andriamanitra.


Isika, fa tsy ry zareo, no mpitandro ny tena famorana, dia isika manompo an’Andriamanitra araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina ary mirehareha noho isika tafaray amin’i Kristy Jesoa fa tsy mitoky amin’ny fombafomban’olombelona.


Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Efa lasan’ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin’izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra