Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 27:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Nokapohin’ny Tompo ireo nikapoka ny vahoakany; toy izany koa ve no nikapohan’ny Tompo ilay vahoakany? Naripaky ny Tompo ireo nandripaka ny vahoakany; toy izany koa ve no nandripahan’ny Tompo ilay vahoakany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no mba namelezany azy koa? Tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Nokapohin’ny Tompo ireo nikapoka ny vahoakany; toy izany koa ve no nikapohan’ny Tompo ilay vahoakany? Naripaky ny Tompo ireo nandripaka ny vahoakany; toy izany koa ve no nandripahan’ny Tompo ilay vahoakany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Moa nasiana toy ny namelezana an’ireo namely azy va izy? Moa novonoina toy ny namonoana an’ireo namono azy va izy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 MOA tahaka ny namelezana izay namely azy va no mba namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 27:7
17 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa rehefa vitan’ny Tompo avokoa ny asany ao an-tendrombohitra Tsiôna sy ao Jerosalema, dia hofaiziny ny mpanjakan’i Asiria noho ny fony feno avonavona sy ny fijeriny miandranandrana.


Ny TOMPO, fahazavan’i Israely, dia hanjary afo ary ilay Masiny dia hanjary lelafo handoro ny tsilo sy ny songosongo ka handevona azy anatin’ny indray andro monja.


Vao takariva dia injao ny horohoro, tsy maraina akory dia efa foana izany. Toy izany no hanjo izay nandroba antsika sy ho anjaran’izay namabo antsika.


Tsy hisy manda fiarovana intsony any Efraîma; tsy hisy fanjakana intsony koa any Damasy, ary izay sisa tavela amin’ny Sirianina dia tsy hisy lanjany noho ny Israelita. Izany no teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao.


Dia ho raiki-tahotra ny Asirianina, rehefa handre ny feon’ny TOMPO sady hokapohiny amin’ny tsorakazo.


Tsy sabatra nataon’ny olona ilay sabatra handavo ny Asirianina; ary tsy sabatra an’olombelona ilay sabatra handringana azy. Handositra eo anoloan’io sabatra io ny Asirianina; ary ny miaramila voafantiny dia hampanaovina asa an-terivozona.


Ny mpanjakany handositra noho ny tahotra, ary ny manamboninahiny ho kivy ka hitsoaka hamela ny fanevany. Izany no teny hentitry ny TOMPO izay manana ny fatana fandoroany ao Tsiôna sy ny lafaorony miredareda ao Jerosalema.


Tahaka ny nandravako an’i Sôdôma sy i Gômôra, mbamin’ireo tanàna teny akaikiny, no hataoko amin’i Babilôna, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, ka tsy hisy olona honina na hivahiny any intsony.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: Ho hitanareo kosa izao fa hatsingeriko amin’i Babilôna sy ny mponina rehetra any Babilônia ny ratsy rehetra nataony tamin’i Tsiôna.


Ny aminareo kosa, ry mponin’i Ninive, ny TOMPO dia efa nandidy hoe: «Tsy hisy taranaka hitondra ny anaranareo intsony. Hopotehiko ao an-tranon’andriamanitrareo ny sampy hazo voasikotra na metaly voarendrika. Manomana fasana ho anareo Aho, satria maivan-danja eo anatrehako ianareo.»


Tsy misy fanafany ny fangirifirianao ary tsy azo sitranina intsony ny ferinao. Fa izay rehetra mahalala ny nanjò anao dia hitehaka avokoa manoloana ny fahavoazanao, satria zovy moa no tsy nahita faisana noho ny habibiana mitohy nafitsokao?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra