Isaia 26:9 - Baiboly Katolika Ny fanahiko maniry Anao mandritra ny alina; ary ny saiko ato anatiko, nikatsaka Anao. Satria raha mihatra amin’ny tany ny fitsarànao, dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Maniry Anao aho nony alina; eny, ny fanahiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; fa raha mamely ny tany ny fitsaranao dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao. DIEM PROTESTANTA Maniry ny atrehinao aho amin’ny alina; eny, mitady Anao ny fanahiko ato anatiko. Rehefa ny didim-pitsaranao no ampiharinao amin’ny tany, dia hahay hitondratena mahitsy ny mponina eran’izao tontolo izao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Maniry ny atrehinao aho amin’ny alina; eny, mitady Anao ny fanahiko ato anatiko. Rehefa ny didim-pitsaranao no ampiharinao amin’ny tany, dia hahay hitondratena mahitsy ny mponina eran’izao tontolo izao. Baiboly Protestanta Malagasy Amin’ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, Dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao. Malagasy Bible Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao. La Bible en Malgache Maniry Anao aho nony alina; eny, ny fanahiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; fa raha mamely ny tany ny fitsaranao dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao. |
Maniry ny Tompo ny fanahiko, mihoatra noho ny anirian’ny mpiambina ny fipoahan’ny andro.
Hifaly amin’ny fahitana ny famaliana, ny marina; handro tongotra amin’ny ran’ny ratsy fanahy izy.
Azera amin’ny tany izy, voatsingidin’ny vava nalefany izy. Mihifikifi-doha avokoa izay mahita azy.
Nony nasiany tamin’ny fahafatesana izy ireo vao nitady Azy, niverina izy ka dodona hahita an’Andriamanitra indray;
Aoka izy ho menatra sy ho raiki-tahotra mandrakizay, sy hangaihay ary ho azon’ny fandringanana.
Toy izao no hahavoaonitra ny helok’i Jakôba, ary izao no ho vokatra rehetra amin’ny famelana ny fahotany. Rehefa ny vaton’ireo ôtely no hataony manjary vovoka manahaka ny vato sokay, dia tsy hatsangana intsony ny aserah sy ny sarin’ny Masoandro.
Iza aminareo no matahotra an’i Iaveh, sy mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny Anaran’i Iaveh, sy hiankina amin’ny Andriamaniny!
Mitadiava an’i Iaveh, dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Mitsangàna, miantsoantso mandritra ny alina, hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana; aidino hoatra ny rano ny fonao, eo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo! Manandrata tanana aminy, ho an’ny ain’ny zanakao madinika, izay lavo toran’ny hanoanana, eny an-joron-dalana rehetra eny.
Rehefa avy izay hanatanterahako fitsarana aminao amim-pahatezerana amam-pahavinirana, sy amim-pamaizan’ny fahavinirako, ianao dia ho latsa sy henatra ary ho fananarana amam-pampitahorana ho an’ny firenena manodidina anao;
Handeha Aho hody any amin’ny fonenako, mandra-piaikiny ny mahameloka azy, ka hitadiavany ny Tavako. Fa hitady Ahy izy ireo, rehefa azom-pahoriana.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany amin’ny tany mangingina, ka nivavaka tany.
Ary tamin’izany andro izany, dia lasa tany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka, ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.
Ary tamin’izany ora izany, dia nisy horohoron-tany mafy, ka nirodana ny ampahafolon’ny tanàna, ary olona fito arivo no matin’izany horohoron-tany izany. Raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra ny Andriamanitry ny lanitra.