Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 21:1 - Baiboly Katolika

Faminaniana ny amin’ny efitry ny ranomasina. Tahaka ny firimorimon’ny tadio mihazo any amin’ny atsimo, avy any an’efitra izany, amin’ny tany mahatahotra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny amin’ny loza hanjo ny tany efitra amoron’ny ranomasina. Tahaka ny firimorimon’ny tadio any Negeva no fiaviny avy any an-tany efitra, avy any amin’ny tany mahatahotra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hafatra momba ny taniefitra amoron-dranomasina. Tahaka ny tadio mamakivaky an’i Negeba no fiavin’ny fahavalo avy any an-taniefitra, avy any amin’ny tany anankiray mahatahotra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hafatra momba ny taniefitra amoron-dranomasina. Tahaka ny tadio mamakivaky an’i Negeba no fiavin’ny fahavalo avy any an-taniefitra, avy any amin’ny tany anankiray mahatahotra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

FAMINANIANA ny amin’ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon’ny tadio any atsimo No fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin’ny tany mahatahotra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin'ny tany mahatahotra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny amin’ny loza hanjo ny tany efitra amoron’ny ranomasina. Tahaka ny firimorimon’ny tadio any Negeva no fiaviny avy any an-tany efitra, avy any amin’ny tany mahatahotra.

Jereo ny toko



Isaia 21:1
21 Rohy Ifampitohizana  

Ny tadio miala amin’ny fitoerany miafina, ny rivotra avy avaratra mampisy fanala.


Faminaniana momba an’i Babilôna nambara tamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.


Noho izany, ny lanitra hampangovitiko; ary ny tany hohozongozonina hiala amin’ny fitoerany, azon’ny haviniran’i Iavehn’ny tafika, amin’ny andro hirehetan’ny fahatezerany.


Fa i Jakôba kosa hiantran’i Iaveh, ary i Israely mbola hofidiny; hamponeniny amin’ny taniny indray izy; ny hafa firenena hikambana aminy, sy hiraikitra amin’ny taranak’i Jakôba.


hisondrotra any an-tampon’ny rahona, ary hitovy amin’ny Avo-Indrindra!›


Hataoko fonenan-tsokina, amam-pihandronan-drano izy, ary hofafako amin’ny kofafa fandringanana, - teny ton’i Iavehn’ny tafika. -


Faminaniana ny amin’i Damasa. Indro fa i Damasa voaesotra tsy ho isan-tanàna intsony; dia ho korontan-javatra foana izy!


Midìna, mipetraha amin’ny vovoka, ry virjiny, zanaka vavin’i Babilôna; mipetraha amin’ny tany, fa tsy amin’ny seza fiandrianana, ry zanaka vavin’ny Kaldeanina; fa ianao tsy hantsoina intsony hoe: Ikala kiankianina, Ikala miangetsana.


Voaranitra avokoa ny zana-tsipikany, voahenjana avokoa ny tsipìkany; mafy tahaka ny vato ny kitron-tsoavaliny; tahaka ny tadio ny kodiaran-tsaretiny.


Izao no lazain’i Iaveh: Indro hohetsehiko hamely an’i Babela sy hamely ny mponina amin’i Kaldea ilay fanahy mpandringana.


Nisondrotan’ny ranomasin’i Babela, nosaforany tamin’ny onjany mirohondrohona.


Menatra izahay, fa nandre ny fanalam-baraka; safo-kenatra ny tarehinay, fa ny hafa firenena no tonga, nanevateva ny fitoerana masina, ao an-tranon’i Iaveh.


Hitako, fa indro, avy any avaratra, nisy tafio-drivotra sy rahona lehibe, aman’afo mivongana, izay manjopiaka manodidina, ary ao afovoany dia toa zavatra mitarehi-metaly voatsoboka anaty afo no niseho teo.


Izy mbamin’ny vahoakany miaraka aminy, firenena masiaka noho ny hafa rehetra, no hoenti-mandrava an’i Ejipta; hanatsoaka sabatra hamelezana an’i Ejipta izy, ka hameno faty ny tany.


Notapahin’ny hafa firenena - firenena masiaka indrindra amin’ny firenena, - navelany teo izy; teny an-tendrombohitra aman-dohasaha rehetra teny no niampatramparan’ny sampany; ny rantsany tapaka nitsingidina teny amin’ny mason-driaka rehetra amin’ny tany; nihataka niala tamin’ny alokalony ny firenen’ny tany rehetra, ka dia nandao azy avokoa.


Hiakatra ianao, ka ho avy toy ny rivo-doza, hanahaka ny rahona hanarona ny tany, ianao mbamin’ny antoko-miaramilanao rehetra, ary ny firenena maro miaraka aminao.


Hiseho eo ambonin’izy ireo i Iaveh, hitsoriaka toy ny helatra, ny zana-tsipìkany. Hampaneno ny trômpetra ny Tompo Iaveh, ary handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo.