fa ianao kosa nariana lavitry ny fasanao, toy ny sampana atao tsinontsinona, tototry ny maty novonoina tamin’ny sabatra, sy voavarina any amin’ny sola-baton’ny hantsana manjombona, tahaka ny faty voahosihosy.
Isaia 18:6 - Baiboly Katolika Izy rehetra indray hatolotra ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ny biby ambonin’ny tany; ny vorona mpihaza hihinana azy amin’ny fahavaratra; ary ny biby ambonin’ny tany koa amin’ny ririnina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hafoy avokoa izy ka ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ny biby eny ambonin’ny tany; ny vorona mpihaza dia handany ny fahavaratra any ary ny bibidia rehetra ambonin’ny tany dia handany ny ririnina any. DIEM PROTESTANTA Izany rehetra izany dia hilaozana ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ny bibidia eny ambonin’ny tany; ao no handany fahavaratra ny vorona mpihaza ary handany ririnina ny bibidia rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izany rehetra izany dia hilaozana ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ny bibidia eny ambonin’ny tany; ao no handany fahavaratra ny vorona mpihaza ary handany ririnina ny bibidia rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hafoy avokoa izy ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra Sy ho an’ny biby eny ambonin’ny tany; Ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin’ny tany handany ririnina any. Malagasy Bible Dia hafoy avokoa izy ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an'ny biby eny ambonin'ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin'ny tany handany ririnina any. La Bible en Malgache Dia hafoy avokoa izy ka ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ny biby eny ambonin’ny tany; ny vorona mpihaza dia handany ny fahavaratra any ary ny bibidia rehetra ambonin’ny tany dia handany ny ririnina any. |
fa ianao kosa nariana lavitry ny fasanao, toy ny sampana atao tsinontsinona, tototry ny maty novonoina tamin’ny sabatra, sy voavarina any amin’ny sola-baton’ny hantsana manjombona, tahaka ny faty voahosihosy.
Jereo ny tanin’ny Kaldeanina, firenena mbola tsy nisy, izay nanolotra an’i Asora ho an’ny bibidia any an’efitra; nanangana ny tilikambony izy, nandrava ny lapany, nataony korontan-javatra miavovona sisa teo!
izay miantso ilay voromahery avy any Atsinanana, dia ilay lehilahy araka ny hevitro avy any an-tany lavitra. Efa niteny Aho, ka hanatanteraka! Efa nikasa Aho, ka hanefa izany!
Ianareo, biby any an-tsaha rehetra, avia hihinana; ary ianareo biby any an’ala rehetra koa!
Ary loza efatra karazana no haingaiko hamely azy, - teny marin’i Iaveh - dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira, ny voromanidina, amam-bibin’ny tany, hihinana sy handringana.
Izy ireo dia ho fatin’ny areti-mahafaty; tsy hitomaniana na halevina, ho tahaka ny zezika eo ambonin’ny tany. Ho fatin’ny sabatra ama-mosary; ary ny fatiny ho fihinan’ny voromanidina amam-bibin’ny tany.»
Ka ny fatin’ity firenena ity dia hohanin’ny voromanidina sy ny bibin’ny tany, ary tsy hisy handroaka ireny akory.
Ny tapatapany ahatongavan’ny voromanidina rehetra hipetraka, ary ny rantsany itsofohan’ny biby rehetra any an-tsaha: