Isaia 46:11 - Baiboly Katolika11 izay miantso ilay voromahery avy any Atsinanana, dia ilay lehilahy araka ny hevitro avy any an-tany lavitra. Efa niteny Aho, ka hanatanteraka! Efa nikasa Aho, ka hanefa izany! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201111 Miantso vorona mpihaza avy any atsinanana Aho, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako. Sady niteny izany Aho no mahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no mahefa azy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA11 Toy ny vorona mpihaza avy any atsinanana, avy any an-tany lavitra any, no niantsoako ilay lehilahy izay hanatanteraka ny fikasàko. Fikasàna noteneniko izany sady hotanterahiko, fikasana novolavolaiko sady hotontosaiko. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara11 Toy ny vorona mpihaza avy any atsinanana, avy any an-tany lavitra any, no niantsoako ilay lehilahy izay hanatanteraka ny fikasàko. Fikasàna noteneniko izany sady hotanterahiko, fikasana novolavolaiko sady hotontosaiko. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy11 Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, Dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; Sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, Sady nikasa Aho no hahefa azy. Jereo ny tokoMalagasy Bible11 Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy. Jereo ny toko |