Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 18:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Izany rehetra izany dia hilaozana ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ny bibidia eny ambonin’ny tany; ao no handany fahavaratra ny vorona mpihaza ary handany ririnina ny bibidia rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Dia hafoy avokoa izy ka ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ny biby eny ambonin’ny tany; ny vorona mpihaza dia handany ny fahavaratra any ary ny bibidia rehetra ambonin’ny tany dia handany ny ririnina any.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Izany rehetra izany dia hilaozana ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ny bibidia eny ambonin’ny tany; ao no handany fahavaratra ny vorona mpihaza ary handany ririnina ny bibidia rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Izy rehetra indray hatolotra ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ny biby ambonin’ny tany; ny vorona mpihaza hihinana azy amin’ny fahavaratra; ary ny biby ambonin’ny tany koa amin’ny ririnina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Dia hafoy avokoa izy ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra Sy ho an’ny biby eny ambonin’ny tany; Ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin’ny tany handany ririnina any.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Dia hafoy avokoa izy ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an'ny biby eny ambonin'ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin'ny tany handany ririnina any.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 18:6
12 Rohy Ifampitohizana  

Ianao kosa dia nariana ivelan’ny fasanao toy ny zaza rano maharikoriko; tahaka ny razana voahitsakitsaka ianao, fa olona voavono ho faty no manindry anao, dia ireo olona voatrobaky ny sabatra. Ka naidina eo ambony lampivato ao am-pasana ireny,


Mba jereo ange ity tanin’i Sipra! Tsy misy intsony ny maha firenena azy. Nataon’ny Asirianina tobim-pamaharana eo anivon-dranomasina io nosy io, ary nananganany tilikambo fitiliana sy nanorenany tanàna mimanda; kanefa lasa korontam-bato miavovona ireny.


Toy ny vorona mpihaza avy any atsinanana, avy any an-tany lavitra any, no niantsoako ilay lehilahy izay hanatanteraka ny fikasàko. Fikasàna noteneniko izany sady hotanterahiko, fikasana novolavolaiko sady hotontosaiko.


Ianareo bibidia rehetra any an-tsaha sy ianareo bibidia rehetra any an’ala, avia hanao fihinanam-be!


Karazan-javatra efatra no hotendreko hamely azy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO: ny sabatra handringana azy, ny alika hitarika azy lavitra ary ny voromahery mbamin’ny bibidia hihinana sy handripaka azy;


Ho fahafatesana mahatsiravina no hahafatesany ka tsy hitomaniana na halevina izy fa hijanona ho toy ny zezika eo amin’ny velaran-tany. Haripaky ny ady sy ny mosary izy, ka ny fatiny ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia.»


Ny fatin’ireo olona ireo dia ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia izay tsy hisy hanaitaitra hampiala azy.


Nipetraka teo amin’ny vatany nianjera ny voromanidina isan-karazany, ary nisitrika tanaty rantsany ny bibidia rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra