Tsy hitoetra eo amin’ny lovan’ny marina ny tehim-panjakan’ny ratsy fanahy, mba tsy hanaingan’ny olo-marina, ny tanany hanao ratsy koa.
Isaia 14:5 - Baiboly Katolika Notapahin’i Iaveh ny tehin’ny ratsy fanahy, ny tehim-panjakan’ny mpanapaka! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 NY TOMPO efa nanapatapaka ny tehin’ny ratsy fanahy, dia ny tehim-pahefan’ny mpanapaka DIEM PROTESTANTA Nopotehin’ny TOMPO ny fahefana mandoza, dia ny tehin’ilay mpanjakazaka, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nopotehin’ny TOMPO ny fahefana mandoza, dia ny tehin’ilay mpanjakazaka, Baiboly Protestanta Malagasy Jehovah efa nanapatapaka ny tehin’ny ratsy fanahy, Dia ny tehina fanapahan’ny mpanapaka, Malagasy Bible Jehovah efa nanapatapaka ny tehin'ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan'ny mpanapaka, La Bible en Malgache NY TOMPO efa nanapatapaka ny tehin’ny ratsy fanahy, dia ny tehim-pahefan’ny mpanapaka |
Tsy hitoetra eo amin’ny lovan’ny marina ny tehim-panjakan’ny ratsy fanahy, mba tsy hanaingan’ny olo-marina, ny tanany hanao ratsy koa.
Loza ho an’i Asora, tsora-kazon’ny fahatezerako! fiasàn’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!
Hosaziko izao tontolo izao noho ny faharatsiany; ary ny ratsy fanahy noho ny helony; hataoko mitsahatra ny fiandranandran’ny mpirehareha; ary haetriko ny avonavon’ireo mpanjaka manao jadona.
Aza manaram-po amin’ny fifaliana, ry Filistinina manontolo, noho ny nahatapahan’ny tsora-kazo namely anao; fa hisy menarana hateraky ny tarana-bibilava ary dragona manidina no haterany.
dia hoventesinao izao hira faniniana izao, ny amin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hataonao hoe: «Akory ity niafaran’ilay mpanjaka manao jadona, ary nitsaharan’ny fampahoriana?
Nikapoka ny vahoaka tamin-katezerana mafy Izy, tamin’ny kapoka tsy an-kijanona; nentin’ny fisafoahany dia nataony ambany jioga ny firenena, tamin’ny fanenjehana tsy misy hiainana.
Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin’ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.
Ny kapan’ny mpiady rehetra tamin’ny fikatrohana mbamin’ny kapaoty nihosin-dra rehetra, dia atao anatin’ny afo: ka levon’ny afo.
Ren’ny olona ny fitolokoko, nefa tsy misy mampionona ahy izy. Raha nandre ny manjò ahy ny fahavaloko rehetra, dia mifaly izy, satria niasa Ianao. Hampiavy ny andro voalazanao Ianao, ka ho tonga toa ahy koa ireo!
Hitohy mandrakariva va ny fandoarany ny ao amin’ny haratony, sy ny famonoany, tsy ananany antra, ny firenena?