Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 9:2 - Baiboly Katolika

Ny famoloana amam-pandomam-boaloboka, tsy hisy hamelana azy ireo, ary ny divay vaovao handà azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy hahavelona azy ny famoloana sy ny famiazam-boaloboka ary handiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tsy hahafa-po anao anefa na ny vary eo am-pamoloana na ny menaka eo am-pamiazana; ary ny divay vaovao andrasanao dia handiso fanantenana anao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy hahafa-po anao anefa na ny vary eo am-pamoloana na ny menaka eo am-pamiazana; ary ny divay vaovao andrasanao dia handiso fanantenana anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, Ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy hahavelona azy ny famoloana sy ny famiazam-boaloboka ary handiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.

Jereo ny toko



Hosea 9:2
12 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga teo am-pamoloan’i Atada ao andafin’i Jordany izy ireo dia nitomany amam-pigogogogoana mafy, fa nanokana hafitoana hanaovana fisaonana ho voninahitry ny rainy i Josefa.


Koa halaiko indray ny variko amin’ny androny, sy ny divaiko vaovao amin’ny taonany, sady hoesoriko ny volon’ondry aman-drongoniko, izay enti-manarona ny fitanjahany.


Ary ankehitriny, habaribariko ny fahamenarany eo imason’ireo lehilahiny, ary tsy misy hahafaka azy amin’ny tanako.


Hanaraka ny lehilahiny izy fa tsy hahatratra an’ireny; hitady an’ireny izy fa tsy hahita azy. Izay izy vao hanao hoe: «Handeha aho hody any amin’ny vadiko taloha, fa niadana aho tamin’izany noho ny ankehitriny.»


Koa noho ianareo manitsakitsaka ny mahantra, sy mampandoa hetram-bary azy; dia nanao trano vato voapaika ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; namboly voaloboka faran’izay tsara ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.


Nanantena be ianao, nefa tsy nisy afa-tsy kely foana; nanangona ny vokatrareo, nefa notsofiko izany. Nahoana? - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Satria ny Tranoko mbola rava; nefa ianareo isany, samy maimay be ihany ny amin’ny tranony avy.


Tamin’izany, ny nankamin’ny antontam-bary roapolo mifatra, tsy nahazo afa-tsy folo; ny nankamin’ny famiazam-boaloboka hanovo dimampolon’ny famarana, tsy nahazo afa-tsy roapolo.