Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 8:10 - Baiboly Katolika

Na manao fanatitra amin’ny firenena aza izy, dia novoriko hamely azy ireny; ka hangozohozo izy, amin’ny fotoana fohifohy, tsindrian’ny entan’ny mpanjakan’ireo mpanapaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa na dia nandoa vola tany amin’ny Jentilisa aza izy dia hovoriko ihany ankehitriny; ary afaka fotoana fohy dia hijaly izy noho ny entan’ny mpanjakan’ireo mpanapaka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Na dia nizara fanomezana tamin’ny firenen-kafa aza izy, dia tonga kosa ny fotoana hamoriako azy ankehitriny. Ary tsy ho ela izy dia hijaly noho izay hatambesatr’ilay mpanjakan’andriana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Na dia nizara fanomezana tamin’ny firenen-kafa aza izy, dia tonga kosa ny fotoana hamoriako azy ankehitriny. Ary tsy ho ela izy dia hijaly noho izay hatambesatr’ilay mpanjakan’andriana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary na dia nanangy tany amin’ny jentilisa aza izy, Dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan’ny mpanjakan’ireo mpanapaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary na dia nanangy tany amin'ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan'ny mpanjakan'ireo mpanapaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa na dia nandoa vola tany amin’ny Jentilisa aza izy dia hovoriko ihany ankehitriny; ary afaka fotoana fohy dia hijaly izy noho ny entan’ny mpanjakan’ireo mpanapaka.

Jereo ny toko



Hosea 8:10
21 Rohy Ifampitohizana  

Fa hitan’i Iaveh ny fahoriana mangidy indrindra nanjò an’i Israely, izay tsy nisy afa-namonjy an’i Israely, na olona manambady, na olona afaka, na olona iza na iza.


Niakaran’i Salmanazara mpanjakan’i Asiria notafihina i Osea, ka tonga mpanompon’io nandoa hetra ho azy izy.


Vaky tamin’ny mpanjakan’i Asiria ho nanao teti-dratsy anefa i Osea fa naniraka olona tany amin’i Soà, mpanjakan’i Ejipta, sady tsy nandoa hetra intsony ho an’ny mpanjakan’i Asiria, isan-taona, ka nasain’ny mpanjakan’i Asiria nosamborina sy nogadrana, dia nalatsaka an-tranomaizina.


Ka namporisihin’ny Andriamanitr’i Israely, ny fanahin’i Fola mpanjakan’i Asiria sy ny fanahin’i Telgata-Falasara, dia nentin’ireo babo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, nentiny nankany Halà sy i Habôra ary i Arà mbamin’ny ony Gôzàna mandrak’androany.


Hoy izy: «Tsy mpanjaka avokoa va ny andriandahiko?


Dia midina eny amin’ny lalana mankany Ejipta izy ireo nefa tsy manontany ny vavako, mba hialoka eo ambany fiarovan’i Faraôna sy hialokaloka eo amin’ny alokalok’i Ejipta.


Dia nandroso ny lehiben’ny mpandroso divay ka nanao feo avo niantso tamin’ny teny jodaika nanao hoe: Mihainoa, ianareo, ny tenin’ny mpanjaka lehibe, mpanjakan’i Asiria!


ka nanao taminy hoe: «Aoka ho tonga eo anatrehanao anie izao fihantanay izao: mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitrao, ho an’izao sisa rehetra izao, fa maro izahay taloha, nefa efa tonga vitsy sisa araka izao hitan’ny masonao izao.


Ny vehivavy janga rehetra, omen-tangy; fa ianao kosa, nanangy ny lehilahinao rehetra, mba hahatongavany avy any rehetra any ho amin’ny fijangajanganao.


noho izany dia indro, hovoriko avokoa ny lehilahinao rehetra izay nijangajanganao, izay notiavinao rehetra, mbamin’izay rehetra nankahalainao; dia hovoriko avy any rehetra any ireny, hamely anao; hasehoko eo anoloan’izy ireo ny fitanjahanao, ka hahita ny fitanjahanao izy.


Toy ny fanangon’ny olona volafotsy, varahina, vy, fira-mainty, fira-potsy, ao afovoan’ny memy sy hofoforina harendrika, no hanangonako anareo, amin’ny fahatezerako amam-pahavinirako; hataoko ao ianareo ary hataoko rendrika.


Nivadika tamiko i Oôlibà; fatra-pitia an’ireo lehilahiny izy, dia ny Asirianina izay nifanila aminy.


Fa izao lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hoentiko avy any avaratra hamely an’i Tira, i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanjakan’ny mpanjaka, mitondra soavaly aman-kalesy, mitaingin-tsoavaly, omba-miaramila betsaka sy vahoaka maro.


Hofaizako araka ny sitrapoko izy ireo: ary ho tafangona hamely azy ny firenena, rehefa hafatotra amin’ny fahotany roa izy ireo.


I Efraima, mihinan-drivotra, sy manenjika ny rivotra avy atsinanana. Mampiavosa lainga amam-pandozàna mandritra ny andro izy; manao fanekena amin’i Asora izy ireo, ka entina ho any Ejipta ny diloilo.


Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Indray mandeha ihany, sady tsy ho ela, no mba hanozongozonako ny lanitra sy ny tany, - mbamin’ny ranomasina sy ny tanety.