Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 7:21 - Baiboly Katolika

Maty avokoa ny nofo rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby dia, izay rehetra mandady amin’ny tany ary ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tetỳ ambonin’ny tany, dia ny vorona, ny biby fiompy, ny bibidia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany ary ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ny tany, izany hoe ny voro-manidina sy ny biby fiompy mbamin’ny bibidia, ny bibikely mihahohaho tambonin’ny tany, ary ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ny tany, izany hoe ny voro-manidina sy ny biby fiompy mbamin’ny bibidia, ny bibikely mihahohaho tambonin’ny tany, ary ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany ary ny olona rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tetỳ ambonin’ny tany, dia ny vorona, ny biby fiompy, ny bibidia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany ary ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko



Genesisy 7:21
20 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’Andriamanitra ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, mbamin’izay rehetra mikisaka amin’ny tany, araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.


Ka hoy Andriamanitra tamin’i Nôe: «Efa mby eto anatrehako ny fara fiafaran’ny nofo rehetra, fa feno haratsiana ny tany noho izy ireo, ka haringako izy mbamin’ny tany.


Ary Izaho hahatonga ny safodrano hanafotra ny tany, mba handringana ny nofo rehetra manam-pofon’aina eo ambanin’ny lanitra; ho levona izay rehetra ety ambonin’ny tany.


Fa fito andro sisa dia handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho, mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina; ka hofongorako eo ambonin’ny tany ny zavatra rehetra nataoko.»


dia ho afaka aina miaraka amin’izay ny nofo rehetra, ary hody amin’ny vovoka indray ny olombelona.


Mitresaka mafy dia mafy ny tany; mipoaka mikotrokotroka ny tany; mihozongozona mafy ny tany;


Noho izany ny tany levon’ny ozona; ny mponina aminy, mivesatra ny valin’ny helony; ka dia levona ny mponina amin’ny tany, fa vitsy ny isan’ny olona tavela.


Noho izany, misaona ny tany, ary tsy manan-kery ny mponina rehetra ao aminy, hatramin’ny biby any an-tsaha sy ny voromanidina; ringana mbamin’ny hazandrano any anaty ranomasina aza.


Eo anoloany misy afo mandevona, ary eo aoriany misy lelafo mandoro. Ny tany eo alohany, toy ny zaridain’i Edena, ary ny eo aoriany, toy ny efitra voarava; tsy misy tsy asiany na kely akory aza.


Hoesoriko ny olombelona sy ny biby; hoesoriko ny voromanidina sy ny hazan-dranomasina, ary ny fanafintohinana mbamin’ny ratsy fanahy; ka haringako eo ambonin’ny tany ny olombelona, - teny marin’i Iaveh. -


ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safodrano izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fiavian’ny Zanak’olona.


nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara, dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.


satria izao zava-boaary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nàhiny, fa noho ilay nampanompo azy,


Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao.


matoa tsy namindra fo tamin’izao tontolo izao fahiny Izy, afa-tsy tamin’i Nôe valo mianaka, mpitory ny fahamarinana, fony Izy nahatonga safodrano tamin’izao tontolo ratsy fanahy izao;