Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 7:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ny tany, izany hoe ny voro-manidina sy ny biby fiompy mbamin’ny bibidia, ny bibikely mihahohaho tambonin’ny tany, ary ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tetỳ ambonin’ny tany, dia ny vorona, ny biby fiompy, ny bibidia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany ary ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ny tany, izany hoe ny voro-manidina sy ny biby fiompy mbamin’ny bibidia, ny bibikely mihahohaho tambonin’ny tany, ary ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Maty avokoa ny nofo rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby dia, izay rehetra mandady amin’ny tany ary ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany ary ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tetỳ ambonin’ny tany, dia ny vorona, ny biby fiompy, ny bibidia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany ary ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 7:21
20 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’Andriamanitra avokoa ny bibidia isan-karazany, ny biby fiompy isan-karazany, ary ny biby madinika isan-karazany mandady amin’ny tany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.


Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noà: «Tapa-kevitra aho handringana ny olombelona. Fa noho ny aminy dia feno herisetra ny tany, koa hofongorako eto an-tany izy.


Indro Aho hahatonga safo-drano lehibe mba hamongorana izay rehetra manana aina atỳ ambany lanitra, ka ho levona avokoa izay rehetra eny ambonin’ny tany.


Fa herinandro sisa dia hampilatsaka ranonorana mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina amin’ny tany Aho, ka hofoanako eo amin’ny velaran’ny tany ireo zava-mananaina rehetra nataoko.


dia hiara-maty avokoa ny miaina rehetra, ary hody vovoka indray ny olombelona.


Vakivaky ny tany ary tena mitresaka; voadona mafy izy ka mihotsaka.


Koa levon’ny ozon’Andriamanitra ny tany; ary mitondra fahoriana ny mponina eo aminy noho ny heloka nataony; hihena ireo ka vitsy dia vitsy no ho tavela.


Noho izany, fadiranovana ny tany; reraka ny mponina rehetra ao mbamin’ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina; ary na ny trondron-dranomasina aza dia ringana koa.»


Tahaka ny afo mandevona no hanimbany ny eo alohany sy handoroany ny ao aoriany. Talohan’ny fahatongavany dia toy ny zaridainan’i Hedena ny tany; taorian’ny fandalovany kosa dia taniefitra kilan’ny afo no sisa. Eny, tsy nisy izay tsy ravany.


Hopotehiko ny olona sy ny biby ary ny vorona mbamin’ny trondro; haringako ny ratsy fanahy sy ny asa manafintohina ataony. Tsy avelako hisy olona na dia iray aza eto ambonin’ny tany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany».


ary tsy nanampo na inona na inona ny olona mandra-pahatongan’ny safodrano izay nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona.


Nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy nampakarina ny olona tamin’izay, mandra-pigadon’ny andro nidiran’i Noà tanatin’ny sambofiara: tonga ny safodrano ary nandringana azy rehetra.


Fa tonga nanaiky ho zavatra tsinontsinona ny zavaboaary, tsy araka ny nahiny anefa, fa noho ilay nampanaiky azy toy izany. Saingy eo ny fanantenana:


Saingy fantatsika fa mandraka ankehitriny, ny zavaboaary manontolo dia miara-misento sy mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza.


Izao tontolo izao koa fahiny dia tsy namindran’Andriamanitra fo, satria henika olona ratsy fanahy, ka nataony tonga teo amin’izao tontolo izao ny safodrano; i Noà valo mianaka ihany no narovan’Andriamanitra, noho i Noà mpitory ny fahamarinana soritan’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra