Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 24:39 - Baiboly Katolika

39 ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safodrano izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fiavian’ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

39 ary tsy nahafantatra izy ireo raha tsy tonga ny safodrano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fiavian’ny Zanak’Olona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

39 ary tsy nanampo na inona na inona ny olona mandra-pahatongan’ny safodrano izay nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

39 ary tsy nanampo na inona na inona ny olona mandra-pahatongan’ny safodrano izay nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

39 ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

39 ary tsy fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

39 ary tsy nahafantatra izy ireo raha tsy tonga ny safodrano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fiavian’ny Zanak’Olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 24:39
18 Rohy Ifampitohizana  

Ringana avokoa rehefa mety ho zavatra tambonin’ny tany, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mikisaka mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka; levona tsy nisy teto an-tany intsony izany; fa i Nôe sy ireo niara-nitoetra taminy tao an-tsambo fiara ihany no sisa.


Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy mahatsiaro maharary; nandalasiny aho... fa tsy mahare na inona na inona!... Rahoviana aho no hifoha?... Mbola ilaiko ihany izany!


Raha hoy ianao: «Tsy mahalala izany anie izahay!» moa tsy mahita izany va Ilay mandanja ny fo? tsy mahalala izany va, Ilay mitandrina ny fanahinao? ary tsy hovaliany araka ny nataony avy va ny olona rehetra?


Ny marina, mahalala ny adin’ny mahantra: fa ny ratsy fanahy kosa tsy mahatakatra ny fahaizana.


Dia nalatsany tamin’izy ireo ny afon’ny fahatezerany, sy ny firehitry ny ady: ka nirehitra nanodidina azy izany, nefa tsy azony an-tsaina, ary nandoro azy, nefa tsy noheveriny.


Fa ny Zanak’olona dia ho avy, amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny Anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.


Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitry ny Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: «Lazao anay izay andro hahatongavan’izany, sy ny famantarana ny hiavianao mbamin’ny hahataperan’izao tontolo izao.»


Amin’izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran’ny Zanak’olona, ka handòn-tratra avokoa ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany; ary ho hitany eo ambonin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona avy, amin-kery sy voninahitra lehibe.


Fa tahaka ny tamin’ny andron’i Nôe, dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona.


Amin’izany, amin’ny olona roa lahy izay ho sendra eny an-tsaha, dia horaisina ny iray, ary havela ny iray;


ary hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao eo anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao.»


Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany;


Mihevera, ry mpamotsifotsy, ka migagà sy levòna ianareo; fa Izaho hanao zavatra anankiray amin’ny andronareo, dia zavatra tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.


Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao,


Odian’izy ireo tsy fantatra fa hatramin’ny voalohany dia efa nisy tokoa ny lanitra, ary toy izany koa ny tany, izay niseho avy amin’ny rano sy natao tamin’ny rano, noho ny tenin’Andriamanitra,


ka lehilahy iray alina voafantina tamin’i Israely rehetra, no tamy avy teo anoloan’i Gabaà. Mafy ny ady, ary tsy nampoizin’ny taranak’i Benjamina fa efa mananontanona azy ny loza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra