Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 24:19 - Baiboly Katolika

19 Mitresaka mafy dia mafy ny tany; mipoaka mikotrokotroka ny tany; mihozongozona mafy ny tany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Mivava ny tany, mitresaka ny tany, mihovotrovotra aoka izany ny tany,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 Vakivaky ny tany ary tena mitresaka; voadona mafy izy ka mihotsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Vakivaky ny tany ary tena mitresaka; voadona mafy izy ka mihotsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Mivava ny tany, mitresaka ny tany, mihovotrovotra aoka izany ny tany,

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 24:19
15 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa tonga ny fotoana, hitsara marina Aho,


Noho izany, ny lanitra hampangovitiko; ary ny tany hohozongozonina hiala amin’ny fitoerany, azon’ny haviniran’i Iavehn’ny tafika, amin’ny andro hirehetan’ny fahatezerany.


Dia hiditra anatin’ny zoma amin’ny vatolampy ny olona, sy anatin’ny zohy amin’ny tany, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratan’ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy.


Mihorohoro ny tendrombohitra eo anoloany, ary miempo ny havoana; mientanentana ny tany eo anatrehany, dia izao tontolo izao sy izay rehetra monina eo aminy.


Nijanona Izy, ka nampihorohoro ny tany; nijery Izy ka nampihozongozona ny firenena; torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, nietry ny havoana fahagola; ny lalany taloha no narahiny.


Raha vantany vao tapitra voalazany izany teny izany dia nivava teo ambanin’izy ireo ny tany.


Nanoka-bava ny tany, ka nitelina azy ireo, dia izy mbamin’ny fianakaviany ary ny ankohonan’i Kôre rehetra sy ny fananany rehetra.


Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitry ny Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: «Lazao anay izay andro hahatongavan’izany, sy ny famantarana ny hiavianao mbamin’ny hahataperan’izao tontolo izao.»


izay nataony tamin’i Datàna sy i Abirôna zanak’i Eliaba, zana-dRobena, fa nivava ny tany ka nitelina azy mbamin’ny fianakaviany sy ny lainy ary ny olona rehetra momba azy teo afovoan’i Israely rehetra.


Ho avy toy ny mpangalatra ny Andron’ny Tompo, ary amin’izany andro izany, ny lanitra hirimorimo mankarenina, ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo, ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.


amin’ny fiandrasana sy fanafainganana ny hiavian’ny Andron’ny Tompo, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra, ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra?


Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra