ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao, tamin’ny namelomanao ny aiko; nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana, ka ho faty.
Genesisy 6:8 - Baiboly Katolika I Nôe kosa anefa dia nahita fitia teo imason’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa i Noa kosa dia nahita fitia teo imason’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Fa i Noà kosa nahita famindrampo teo imason’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa i Noà kosa nahita famindrampo teo imason’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Fa Noa kosa nahita fitia teo imason’i Jehovah. Malagasy Bible Fa Noa kosa nahita fitia teo imason'i Jehovah. La Bible en Malgache Fa i Noa kosa dia nahita fitia teo imason’NY TOMPO. |
ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao, tamin’ny namelomanao ny aiko; nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana, ka ho faty.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
Ny ratsy fanahy mahazo sitraka amin’i Iaveh; fa ny mpanao an-kasomparana, helohin’i Iaveh.
Dia hahita fitia sy hanana ny fahendrena marina ianao, eo imason’Andriamanitra sy ny olombelona.
Izao no lazain’i Iaveh: Nahita fitia tany an’efitra ny vahoaka afaka tamin’ny sabatra; ta-hanome fitsaharana an’i Israely aho.
ary eo amin’izany tany izany dia misy ireto olona telo ireto: i Nôe, i Daniela sy i Jôba... dia hahavonjy ny fanahiny, amin’ny fahamarinana izy ireo; - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Fa tahaka ny tamin’ny andron’i Nôe, dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona.
Nankasitrahin’Andriamanitra io mpanjaka io, ka nangataka mba hanao trano ho an’ny Andriamanitr’i Jakôba;
Ary raha avy amin’ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ny asa; fa raha avy amin’ny asa, dia tsy mba fahasoavana intsony.
Satria amin’izay miasa, dia tsy heverina ho fahasoavana ho azy ny karama, fa hoe trosa;
saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.
Nefa, nony sitrak’Andriamanitra, Ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany,
ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’ny Tompo amin’izay andro izay, ary ianao no mahalala indrindra ny fanompoana rehetra nataony tamiko tany Efezy.
Fa efa niseho ny fahasoavan’Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra,
mba hohamarinin’ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe, mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsy, dia valo monja, sy namonjena azy teo tamin’ny rano.
matoa tsy namindra fo tamin’izao tontolo izao fahiny Izy, afa-tsy tamin’i Nôe valo mianaka, mpitory ny fahamarinana, fony Izy nahatonga safodrano tamin’izao tontolo ratsy fanahy izao;