Fa novaliany hoe: ‹I Iaveh, izay eo anatrehany no handehanako, no haniraka ny Anjeliny hiaraka aminao, sy hanambina ny dianao, ka haka vady ho an-janako, any amin’ny havako sy any an-tranon’ikaky ianao.
Genesisy 5:24 - Baiboly Katolika Nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra i Enôka, dia tsy hita intsony, fa nentin’Andriamanitra izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Enoka; koa tsy hita izy, satria nalain’Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA Niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy; ary tsy hita izy satria nalain’Andriamanitra ho any aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy; ary tsy hita izy satria nalain’Andriamanitra ho any aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’Adnriamanitra. Malagasy Bible Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra. La Bible en Malgache Niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Enoka; koa tsy hita izy, satria nalain’Andriamanitra. |
Fa novaliany hoe: ‹I Iaveh, izay eo anatrehany no handehanako, no haniraka ny Anjeliny hiaraka aminao, sy hanambina ny dianao, ka haka vady ho an-janako, any amin’ny havako sy any an-tranon’ikaky ianao.
Ka notriariny ny fitafiany, dia nankeo amin’ireo rahalahiny izy, nanao hoe: «Tsy ao intsony ny zaza, ary izaho dia hankaiza?»
Hoy i Jakôba rainy taminy: «Foananareo anaka aho, fa i Josefa tsy eto intsony, i Simeôna koa tsy eto, i Benjamina indray halainareo; ary izaho ihany no itambesaran’izany rehetra izany.»
Mbola nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra telon-jato taona i Enôka, taorian’ny niterahany an’i Matosalema, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy.
Fito amby valopolo amby zato taona ny andro niainan’i Matosalema vao niteraka an’i Lameka izy.
Izao no tantaran’i Nôe: Lehilahy marina i Nôe, nanao ny rariny teo amin’ny olona niara-belona taminy, nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra i Nôe.
Nony nampakarin’i Iaveh ho any an-danitra amin’ny tafio-drivotra i Elia, dia niara-nandeha avy any Galgalà i Elia sy i Elisea.
Ka hoy i Elia: «Mangataka zava-tsarotra ianao; kanefa raha mahita ahy ianao amin’ny hangalana ahy hiala aminao, dia ho tonga aminao izany; fa raha tsy izany kosa dia tsy ho tonga izany.»
Mbola nanohy ny diany sady niresaka eny izy ireo; dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy, ka niakatra ho any an-danitra tamin’ny tafio-drivotra i Elia.
Sady nijery i Elisea no niantso hoe: «Ry ikaky ô, ry ikaky ô! Kalesin’i Israely sy mpitaingin-tsoavaliny!» dia tsy nahita azy intsony izy. Tamin’izay nalainy ny fitafiany, notriariny roa,
Roahina toy ny biby fiompy izy ho any amin’ny Seoly, ny fahafatesana no miandry azy, manapaka azy ireo nony maraina ny olo-mahitsy, ary ny ambiroany dia hihalevona any amin’ny Seoly, tsy hisy fonenana hafa.
hoentinao amin’ny torohevitrao aho, dia horaisinao any amin’ny voninahitra, rehefa afaka izany.
Izao no lazain’i Iaveh: Nisy feo re tany Ramà, dia fidradradradràna sy fitomaniana mangidy; fa nitomany ny zanany i Rasela ka mandà tsy hampiononina izy, ny amin’ny zanany, satria tsy velona intsony ireo.
«Nisy feo re tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradràna mafy: i Rasela nitomany ny zanany, ka tsy azo nampiononina, fa tsy eo intsony ireny.»
Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao.»
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.
Ireo koa no efa novinanin’i Enôka, ilay fahafito avy amin’i Adama, hoe: «Indro avy ny Tompo, omban’ny olo-masiny tsy tambo isaina,