ka hoy i Rasela: «Nifaninana tamin’ny rahavaviko teo amin’Andriamanitra aho ary nahery.» Dia nataony hoe: Neftalì ny anarany.
Genesisy 49:21 - Baiboly Katolika I Neftalì dia serfa vavy mikarenjy; mamoaka teny mahafinaritra izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Naftaly dia dieravavy tsy voafehy; mpanome teny mahafinaritra izy. DIEM PROTESTANTA I Naftalỳ dia toy ny osivavy mikarenjy izay manan-janaka tsara tarehy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Naftalỳ dia toy ny osivavy mikarenjy izay manan-janaka tsara tarehy. Baiboly Protestanta Malagasy naftaly dia dieravavy alefa; Manao teny mahafinaritra izy. Malagasy Bible NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy. La Bible en Malgache I Naftaly dia dieravavy tsy voafehy; mpanome teny mahafinaritra izy. |
ka hoy i Rasela: «Nifaninana tamin’ny rahavaviko teo amin’Andriamanitra aho ary nahery.» Dia nataony hoe: Neftalì ny anarany.
Dia niteny taminy ireo nanao hoe: «Raha mora fo amin’ity vahoaka ity ianao, ka mandray azy tsara sy manao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.»
Fa serfa vavy mahatehotia izy ary gazela mahafinaritra, ka aoka ny hasoany hiravoravoanao lalandava, ary ho raiki-pitia azy mandrakariva ianao!
Ry zanaka vavin’i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra, noho ny gazela aman-tserfavavy eny an-tsaha, aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako, raha tsy efa sitrapony.
Ny serfa vavy any an-tsaha aza, aterany ny zanany dia ilaozany, noho ny tsy fisian’ny ahitra.
Ny amin’i Neftalì dia hoy izy: «Vokin’ny tombon-tsoa ianao, ry Neftalì, ary feno ny fitiavan’i Iaveh; ka raiso ho fanananao ny ranomasina sy ny any atsimo».
Nantsoin’i Baràka ho any Kedesy i Zabolôna sy i Neftalì, ka nisy lehilahy iray alina no rafitra nanaraka azy; ary i Debôrà nandeha niaraka taminy.
Naniraka olona hiantso an’i Baràka, zanak’i Abinaema, tany Kadesa any Neftalì, izy, ka nanao taminy hoe: «Tsy izao va no didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Mandehana mankany an-tendrombohitra Tabôra ianao ary mitondrà lehilahy iray alina amin’ny taranak’i Neftalì sy amin’ny taranak’i Zabolôna hiaraka aminao,
Fa i Zabolôna no firenena manao vy very ny ainy; torak’izany koa i Neftalì eo amin’ny havoany marin-tampona.