Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao. Ary i Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.»
Genesisy 47:24 - Baiboly Katolika Rehefa tonga ny vokatra, ny ampahadiminy moa haterinareo ho an’i Faraôna; ny efa-toko kosa misy hafafinareo amin’ny tany ary misy hivelomanareo sy ny ankohonanareo, sy hiveloman’ny zanakareo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa misy vokatra dia haterinareo ho an’i Farao ny ampahadiminy; ho anareo kosa ny ampahany efatra sisa ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin’izay ao an-tranonareo ary ho sakafon’ny zanakareo. DIEM PROTESTANTA Fa rehefa miakatra ny vokatra, dia haterinareo ho an’ny Farao ny ampahadiminy; ny efatra ampahadiminy kosa dia hotazoninareo mba ho masom-boly ary koa ho sakafonareo sy ny zanakareo mbamin’izay rehetra mipetraka ao an-tranonareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa rehefa miakatra ny vokatra, dia haterinareo ho an’ny Farao ny ampahadiminy; ny efatra ampahadiminy kosa dia hotazoninareo mba ho masom-boly ary koa ho sakafonareo sy ny zanakareo mbamin’izay rehetra mipetraka ao an-tranonareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an’i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin’izay ao an-tranonareo ary hohanin’ny zanakareo. Malagasy Bible Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an'i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin'izay ao an-tranonareo ary hohanin'ny zanakareo. La Bible en Malgache Ary rehefa misy vokatra dia haterinareo ho an’i Farao ny ampahadiminy; ho anareo kosa ny ampahany efatra sisa ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin’izay ao an-tranonareo ary ho sakafon’ny zanakareo. |
Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao. Ary i Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.»
Dia hoy ny mpanjakan’i Sôdôma tamin’i Abrama: «Omeo ahy ny olona fa ny fananana no ento ho anao.»
Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangam-bato ity, ary haloako ho Anao ny ampahafolon’izay rehetra homenao ahy.»
Aoka koa i Faraôna hanendry mpikarakara hitandrina ny tany, hanangona ny ampahadimin’ny vokatra ao amin’ny tany Ejipta mandritra ny fito taon-jina.
Dia hoy i Josefa tamin’ny vahoaka: «Voavidiko androany ho an’i Faraôna ianareo sy ny taninareo. Koa indreny ny voa hafafinareo dia fafazo ny tany.
Ka hoy ny olona: «Ianao no namonjy ny ainay. Hahita fitia eo imason’itompokolahy anie izahay ary ho mpanompon’i Faraôna izahay.»
Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra; hahery an’ady izy, eo amin’ny fitsarana.
«Ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny tany, na ny avy amin’ny voa famafy amin’ny tany, na ny avy amin’ny voan’ny hazo, dia an’i Iaveh avokoa, zava-boatokana ho an’i Iaveh izany.
Ny ampahafolon’ny biby fiompy, na vaventy na madinika, amin’izay biby fiandry rehetra, dia atokana ho an’i Iaveh avokoa ny ampahafolony.
Indro omeko ho lovan’ny taranak’i Levỳ ny fahafolon-karena rehetra amin’i Israely noho ny raharaha ataony, dia ny raharahan’ny trano lay fihaonana.
Atokano ny fahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny voa nafafinao, dia ny vokatry ny taninao isan-taona.
«Rehefa tapitra natokanao avokoa ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ny vokatrao, amin’ny taona fahatelo, izay taona fandoavana ny fahafolon-karena ka atolotrao ny Levita, mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena mba hohaniny ao anatin’ny vavahadinao sy hivokisany,