Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 27:32 - Baiboly Katolika

32 Ny ampahafolon’ny biby fiompy, na vaventy na madinika, amin’izay biby fiandry rehetra, dia atokana ho an’i Iaveh avokoa ny ampahafolony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Ary ny amin’ny ampahafolon’ny omby, na ny ondry na ny osy, ny ampahafolon’izay rehetra mandalo eo ambanin’ny tehin’ny mpiandry dia ho masina ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

32 Ny ampahafolon’ny biby fiompy, na omby na ondry na osy, izany hoe ny biby voamariky ny tehin’ny mpiandry azy, dia voatokana ho an’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Ny ampahafolon’ny biby fiompy, na omby na ondry na osy, izany hoe ny biby voamariky ny tehin’ny mpiandry azy, dia voatokana ho an’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary ny amin’ny ampahafolon’ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon’izay rehetra mandalo eo ambanin’ny tehin’ny mpiandry, ho masina ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary ny amin'ny ampahafolon'ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon'izay rehetra mandalo eo ambanin'ny tehin'ny mpiandry, ho masina ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 27:32
6 Rohy Ifampitohizana  

Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangam-bato ity, ary haloako ho Anao ny ampahafolon’izay rehetra homenao ahy.»


Eo amin’ny tanànan’ny tendrombohitra sy eo amin’ny tanànan’i Sefelah sy eo amin’ny tanin’i Benjamina sy eo amin’ny manodidina an’i Jerosalema, ary eo amin’ny tanànan’i Jodà, dia mbola hizoran’ny biby fiompy eo ambanin’ny tanan’izay manisa azy, hoy i Iaveh.


Hampandehaniko eo ambany tehi-mpiandry ondry ianareo; ary hampanekeko ny fitsipiky ny fanekena ianareo.


Raha misy olona te hanavotra amin’ny ampahafolon’ny vokany, dia hotongoaviny ny ampahadiminy izay vidiny.


Andraso amin’ny tehinao ny vahoakanao dia ny ondry lovanao, izay monina mitokana any an’ala, eo afovoan’i Karmela; aoka hiraoka any Basàna sy any Galaada izy, toy ny tamin’ny andro taloha.


Indro omeko ho lovan’ny taranak’i Levỳ ny fahafolon-karena rehetra amin’i Israely noho ny raharaha ataony, dia ny raharahan’ny trano lay fihaonana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra