Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 45:26 - Baiboly Katolika

Hoy izy taminy: «Mbola velona i Josefa, ary izy aza no manapaka ny tany Ejipta». Fa tsy nihontsina akory ny fon’i Jakôba, satria tsy nino azy ireo izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nilaza taminy izy ireo ka niteny hoe: Mbola velona ihany i Josefa ary izy no mpanapaka amin’ny tany Ejipta manontolo. Nangatsiaka ihany anefa ny fon’i Jakoba fa tsy nino azy ireo izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Notantarainy azy fa mbola velona any i Jôsefa ary izy mihitsy no mpanapaka eo amin’ny tany Ejipta manontolo; saingy tsy nampiraika an’i Jakôba izany, satria tsy nino ireto zanany izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Notantarainy azy fa mbola velona any i Jôsefa ary izy mihitsy no mpanapaka eo amin’ny tany Ejipta manontolo; saingy tsy nampiraika an’i Jakôba izany, satria tsy nino ireto zanany izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra. Kanefa nangatsiaka ihany ny fon’i Jakoba, fa tsy nino azy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nilaza taminy izy ireo ka niteny hoe: Mbola velona ihany i Josefa ary izy no mpanapaka amin’ny tany Ejipta manontolo. Nangatsiaka ihany anefa ny fon’i Jakoba fa tsy nino azy ireo izy.

Jereo ny toko



Genesisy 45:26
17 Rohy Ifampitohizana  

Fa nalain’ireo rahalahiny kosa ny akanjon’i Josefa, ka namono osilahy izy, ary natsobony tamin’ny ra ny akanjo.


Tonga nampionona azy avokoa ny zanany lahy aman-janany vavy rehetra; nefa tsy nety nionona izy, fa hoy izy: «Hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny fonenan’ny maty aho.» Ary nitomany azy, ity rainy.


Niverina tany amin’i Jakôba rainy, tany amin’ny tany Kanaana, izy ireo, dia notantarainy taminy avokoa ny nahazo azy, ka hoy izy:


Hoy i Jakôba rainy taminy: «Foananareo anaka aho, fa i Josefa tsy eto intsony, i Simeôna koa tsy eto, i Benjamina indray halainareo; ary izaho ihany no itambesaran’izany rehetra izany.»


Fa hoy izy: «Tsy hiara-midina aminareo ny zanako. Ny rahalahiny efa maty, izy irery no sisa. Ka raha hidiran-doza any amin’izay lalan-kalehanareo any izy, dia hampidininareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo, ny voloko fotsy.»


ny iray efa lasa tafasaraka tamiko, ka hoy aho hoe: Tsy maintsy ho voaviraviram-biby izy, satria tsy hitako intsony mandrak’androany.


Nony tafakatra avy any Ejipta izy ireo dia tonga tany amin’i Jakôba rainy, any amin’ny tany Kanaana.


Ary hoy i Israely tamin’i Josefa hoe: «Tsy nanampò hahita tava anao intsony aho, kanjo indro ataon’Andriamanitra mahita ny taranakao aza.»


Raha nitsiky taminy aho, tsy azony ninoana izany, fa liana loatra izy nandray izany mari-pitiavana izany.


Na ho nanaiky ny fitarainako aza Izy, dia tsy noheveriko ho nihaino ny feoko,


Dia natsangany ho tompon’ny tranony, sy ho mpanapaka ny taniny rehetra,


Fihirana fiakarana Fony i Iaveh nampody ny voababon’i Siôna, dia toa nofy izany ho antsika.


Tafalentika hatrany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; ny hidin’ny tany efa voahidy tamiko mandrakizay. Kanjo Ianao kosa, nampiakatra ny aiko avy any an-davaka, ry Iaveh Andriamanitro ô!


Fa nataony ho arirarira foana ny tenin’izy ireo ka tsy ninoany.


sady nilaza hoe: «Efa nitsangana tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simôna Izy.»


Ary ilay mbola tsy nino ihany iny izy ireo noho ny hafaliany sady mbola talanjona, dia hoy i Jesoa taminy: «Moa manan-kanina eto va ianareo?»