Andriamanitra anie hanome anao amin’ny andon’ny lanitra sy amin’ny menaky ny tany; mbamin’ny vary aman-divay ankabetsahana!
Genesisy 45:18 - Baiboly Katolika Dia makà ny rainareo sy ny ankohonanareo, ary miverena aty amiko. Fa homeko ny tsara indrindra amin’ny tany Ejipta ianareo, ary hihinana ny menaky ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 alao ny rainareo sy ny ankohonanareo ka mankanesa atỳ amiko dia homeko anareo ny tsara eto amin’ny tany Ejipta ka hihinana ny matavy eto amin’ny tany ianareo! DIEM PROTESTANTA dia haka ny rainy sy ny fianakaviany ka hankaty amiko; fa homeko azy ny tany lonaka indrindra eto Ejipta ka hihinana ny vokatra tsara indrindra eto amin’ny tany izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia haka ny rainy sy ny fianakaviany ka hankaty amiko; fa homeko azy ny tany lonaka indrindra eto Ejipta ka hihinana ny vokatra tsara indrindra eto amin’ny tany izy. Baiboly Protestanta Malagasy ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin’ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin’ny tany hianareo. Malagasy Bible ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin'ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin'ny tany ianareo. La Bible en Malgache alao ny rainareo sy ny ankohonanareo ka mankanesa atỳ amiko dia homeko anareo ny tsara eto amin’ny tany Ejipta ka hihinana ny matavy eto amin’ny tany ianareo! |
Andriamanitra anie hanome anao amin’ny andon’ny lanitra sy amin’ny menaky ny tany; mbamin’ny vary aman-divay ankabetsahana!
Dia hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Lazao amin’ny rahalahinao hoe: ‹Izao no hataonareo: Ataingeno ny entana hoentin’ny bibinareo, ka mankanesa any amin’ny tany Kanaana.›
Dia valio hoe: ‹Biby fiompy no fanananay, izahay mpanomponao, hatramin’ny fahazazanay ka mandrak’ankehitriny; tahaka ny razanay koa.› Fa izany no hahazoanareo monina amin’ny tany Gesena, satria fahavetavetana amin’ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.»
Aoka honina amin’ny tany Gesena izy. Ary raha mahita lehilahy mahay amin’izy ireo ianao, tendreo izy ho mpitandrina ny biby fiompiko.»
Hidera azy ry zareo mankahala an’i Iaveh, ary ho azo antoka mandrakizay, ny faharetan’i Israely.
Loza ho an’ny diadema be avonavon’ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany, eny an-tampon’ny lohasaha lonaka misy an’ireo lehilahy mamon’ny divay.
Ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany, eny an-tampon’ny lohasaha lonaka, hanahaka ny voan’aviavy masaka alohan’ny fahavaratra: izay mahita azy, raha vantany vao mahazo azy an-tanana mandrapaka azy.
Omeko anao avokoa ny tsara indrindra amin’ny diloilo, sy ny tsara indrindra amin’ny divay vaovao sy amin’ny vary, dia ny voaloham-bokatra hateriny ho an’i Iaveh.
Amin’ny fanomezana rehetra horaisinareo, dia hanokananareo ny fanatitra rehetra izay an’i Iaveh: amin’ny tsara indrindra rehetra, dia hanokananareo ny anjara masina avahana aminy.
ary ny hero-dronono avy amin’ny ombivavy sy ny rononon’ondry, mbamin’ny tavin’ny zanak’ondry, sy ny ondralahy teraka tany Basàna sy ny osilahy, ary ny vary faran’izay tsara indrindra; ary ny ran’ny salohim-boaloboka no nosotroinao dia ny divay mandroatra.