Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 45:18 - DIEM PROTESTANTA

18 dia haka ny rainy sy ny fianakaviany ka hankaty amiko; fa homeko azy ny tany lonaka indrindra eto Ejipta ka hihinana ny vokatra tsara indrindra eto amin’ny tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 alao ny rainareo sy ny ankohonanareo ka mankanesa atỳ amiko dia homeko anareo ny tsara eto amin’ny tany Ejipta ka hihinana ny matavy eto amin’ny tany ianareo!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 dia haka ny rainy sy ny fianakaviany ka hankaty amiko; fa homeko azy ny tany lonaka indrindra eto Ejipta ka hihinana ny vokatra tsara indrindra eto amin’ny tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Dia makà ny rainareo sy ny ankohonanareo, ary miverena aty amiko. Fa homeko ny tsara indrindra amin’ny tany Ejipta ianareo, ary hihinana ny menaky ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin’ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin’ny tany hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin'ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin'ny tany ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 45:18
11 Rohy Ifampitohizana  

Homen’Andriamanitra anao anie ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany ary ny vary aman-divay betsaka!


Koa hoy ny Farao tamin’i Jôsefa: –Lazao ireo rahalahinao hampitaingina ny entany hoentin’ny biby sy handeha hody any Kanahàna,


dia hovalianareo hoe: Olona mpiompy toy ireo razanay izahay mpanomponao, nanomboka hatramin’ny fahazazànay ka mandraka izao. Amin’izay dia hahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianareo, satria maharikoriko ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.


ary ny tany Ejipta manontolo dia eo anatrehanao; koa izay faritra tsara indrindra no amponeno azy. Mahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena izy; ary raha fantatrao fa misy olo-mahay amin’izy ireo, dia tendreo ho lehiben’ny fiandrasana ny andiam-biby fiompiko.


manisy fiadanana ny faritaninao sy mamoky anao amin’ny vary tsara indrindra,


Izay mpankahala ny TOMPO ho nikoy tamiko; ny famaizany azy ho naharitra mandrakizay.


Lozan’i Samaria, tanàna izay satroboninahitra sady reharehan’ny mpidoroka ao Efraîma! Erỳ an-tendron’ny lohasaha lonaka izy, ka ny haingony marevaka dia voninkazo mihamalazo eny an-dohan’ireo lehilahy mamon-divay.


Ho voahitsakitsaka am-paladia ny voninkazo mihamalazo izay haingony marevaka terỳ an-tendron’ny lohasaha lonaka. I Samaria dia ho tahaka ny voan’aviavy masaka alohan’ny fahavaratra, ka izay mahita azy dia hioty ary hitelina azy indraim-bava.


Homeko anareo koa ny tsara indrindra amin’ny menaka sy ny divay vaovao ary ny vary sy ny voamaina izay aterin’ny Israelita ho voaloham-bokatra ho Ahy TOMPO.


Amin’ny zavatra rehetra azonareo no hanavahanareo tsy misy banga ny ampahany tsara indrindra izay hatokanareo ho Ahy TOMPO.


novokisany mena-drononon’omby, sy rononon’ondry aman’osy izy, nofahanany henan-janakondry sy ondrilahy matavy aman’osilahy ary notolorany vary tsara indrindra sy ranom-boaloboka ho divay fisotro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra