Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 18:29 - Baiboly Katolika

29 Amin’ny fanomezana rehetra horaisinareo, dia hanokananareo ny fanatitra rehetra izay an’i Iaveh: amin’ny tsara indrindra rehetra, dia hanokananareo ny anjara masina avahana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Avy amin’ny zavatra rehetra omena anareo no hanokananareo ny fanomezana rehetra ho an’NY TOMPO, avy amin’izay rehetra tsara indrindra ka natokana avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

29 Amin’ny zavatra rehetra azonareo no hanavahanareo tsy misy banga ny ampahany tsara indrindra izay hatokanareo ho Ahy TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Amin’ny zavatra rehetra azonareo no hanavahanareo tsy misy banga ny ampahany tsara indrindra izay hatokanareo ho Ahy TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary amin’ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an’i Jehovah, dia amin’izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an'i Jehovah, dia amin'izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Avy amin’ny zavatra rehetra omena anareo no hanokananareo ny fanomezana rehetra ho an’NY TOMPO, avy amin’izay rehetra tsara indrindra ka natokana avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:29
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia makà ny rainareo sy ny ankohonanareo, ary miverena aty amiko. Fa homeko ny tsara indrindra amin’ny tany Ejipta ianareo, ary hihinana ny menaky ny tany.


izany no anjaran’i Aarôna sy ny zanany, tsy maintsy hafoin’ny zanak’i Israely ho azy ireo mandrakizay; fa fanatitra voasandratra izany, ary ny zanak’i Israely tsy maintsy hanokana fanatitra avy amin’ny sorona fisaorana, fanatitra atokany ho an’i Iaveh.»


Dia mba toy izany koa no hanokananareo fanatitra ho an’i Iaveh, avy amin’ny fahafolon-karena horaisinareo amin’ny zanak’i Israely; ary izany fanatitra voatokana ho an’i Iaveh izany, dia omenareo an’i Aarôna mpisorona.


Lazao aminy hoe: Raha manokana ny tsara indrindra amin’izany ianareo, dia hisaina ho an’ny Levita ny ampahafolony, ho solon’ny vokatra avy eo am-pamoloana, sy ho solon’ny vokatra avy eo amin’ny famiazana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra