Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 18:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Amin’ny zavatra rehetra azonareo no hanavahanareo tsy misy banga ny ampahany tsara indrindra izay hatokanareo ho Ahy TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Avy amin’ny zavatra rehetra omena anareo no hanokananareo ny fanomezana rehetra ho an’NY TOMPO, avy amin’izay rehetra tsara indrindra ka natokana avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Amin’ny zavatra rehetra azonareo no hanavahanareo tsy misy banga ny ampahany tsara indrindra izay hatokanareo ho Ahy TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Amin’ny fanomezana rehetra horaisinareo, dia hanokananareo ny fanatitra rehetra izay an’i Iaveh: amin’ny tsara indrindra rehetra, dia hanokananareo ny anjara masina avahana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary amin’ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an’i Jehovah, dia amin’izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an'i Jehovah, dia amin'izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:29
4 Rohy Ifampitohizana  

dia haka ny rainy sy ny fianakaviany ka hankaty amiko; fa homeko azy ny tany lonaka indrindra eto Ejipta ka hihinana ny vokatra tsara indrindra eto amin’ny tany izy.


Noho izany, rehefa manao sorom-pihavanana amiko ny Israelita rehetra, dia hanavaka ny soron-kena sy ny tratrany amin’ireo biby mba ho anjara raikitra ho an’i Aharôna sy ny taranany: zavatra avahana ho Ahy TOMPO izany.


Toy izany no hanateranareo fanatitra ho Ahy TOMPO, avy amin’ny fahafolon-karena izay horaisinareo amin’ny Israelita. Koa haterinareo amin’i Aharôna mpisorona izany fanomezana ho AHY izany.


Ary rehefa navahanareo izay ampahany tsara indrindra amin’izany rehetra izany, dia hotananareo ho anareo levita ny ambiny, tahaka ny itanan’ny Israelita hafa ny ambin’ny vokatra avy eo am-pamoloany sy ny vokatra avy eo amin’ny famiazany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra