Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 45:16 - Baiboly Katolika

Niely ny teny tao an-tranon’i Faraôna fa hoe: «Tonga ny rahalahin’i Josefa, ary samy faly amin’izany i Faraôna sy ny mpanompony.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Re hatrao an-tranon’i Farao fa tonga, hono, ny rahalahin’i Josefa. Nahafaly an’i Farao sy ny mpanompony izany

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ren’ny tao an-dapan’ny Farao fa hoe tonga ny rahalahin’i Jôsefa; ary nahafaly ny Farao sy ireo olona mpanotrona azy izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ren’ny tao an-dapan’ny Farao fa hoe tonga ny rahalahin’i Jôsefa; ary nahafaly ny Farao sy ireo olona mpanotrona azy izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary re tao an-tranon’i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin’i Josefa; dia sitrak’i Farao sy ny mpanompony izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary re tao an-tranon'i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin'i Josefa; dia sitrak'i Farao sy ny mpanompony izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Re hatrao an-tranon’i Farao fa tonga, hono, ny rahalahin’i Josefa. Nahafaly an’i Farao sy ny mpanompony izany

Jereo ny toko



Genesisy 45:16
15 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ny navalin’i Abrama tamin’i Saray: «Eo ambany fahefanao ny mpanompovavinao, ka ataovy araka izay ataonao ho mety.» Dia nampahorin’i Saray i Agara ka nandositra tsy ho eo anatrehany.


Hoy i Abimeleka: «Indro eo anoloanao ny taniko, ka mitoera amin’izay tianao.»


Sitrak’i Hemora sy i Sikema, zanak’i Hemora, ny teniny;


Koa ankehitriny aoka i Faraôna hizaha lehilahy manan-tsaina sy hendry, ka hanendry azy hanapaka ny tany Ejipta.


«Sitrak’i Faraôna sy ny mpanompony rehetra izany teny izany.»


Ary nanoroka ireo rahalahiny rehetra koa izy, ka nitomany teo am-pamihinana azy. Izay vao niresaka taminy ireto rahalahiny.


Dia hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Lazao amin’ny rahalahinao hoe: ‹Izao no hataonareo: Ataingeno ny entana hoentin’ny bibinareo, ka mankanesa any amin’ny tany Kanaana.›


Hitan’ny vahoaka rehetra tsara izany, ka nankasitrahiny, toy ny nankasitrahany an’izay rehetra nataon’ny mpanjaka koa.


Noheverin’ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra ho mety tokoa izany.


Nankasitrahin’ny olona rehetra izany teny izany, ka dia nofidiny i Etienina lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, i Filipo, i Prôkôra, i Nikanôra, i Timôna, i Parmenasy, ary i Nikôlà, prôselita avy any Antiôkia.


Ary tamin’ny fanindroany dia fantatry ny rahalahiny i Josefa, sady fantatr’i Faraôna koa ny niaviany.


izay nandeha teo alohanareo teny an-dalana, hitady toerana hitobianareo: ny alina Izy teo amin’ny afo hanoro lalana nety halehanareo; ny antoandro indray teo amin’ny rahona.»