Nifehy amboara teny an-tsaha, hono, isika, ary indro niarina ny amboarako ka tafajoro; fa nilahatra nanodidina ny ahy kosa ny amboaranareo, sady niankohoka teo anatrehany.»
Genesisy 41:32 - Baiboly Katolika Ary ny nofin’i Faraôna no naverina indroa, dia satria zavatra naraikitr’Andriamanitra izany sady hotanterahin’Andriamanitra faingana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Naverina indroa ny nofin’i Farao satria voatendrin’Andriamanitra ireo zavatra ireo ka hotanterahin’Andriamanitra haingana. DIEM PROTESTANTA Niverina indroa taminao ny nofy, satria hentitra ny teny avy amin’Andriamanitra; ary hotanterahiny faingana izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niverina indroa taminao ny nofy, satria hentitra ny teny avy amin’Andriamanitra; ary hotanterahiny faingana izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary naverina indroa ny nofin’i Farao, satria efa voatendrin’Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin’Andriamanitra faingana. Malagasy Bible Ary naverina indroa ny nofin'i Farao, satria efa voatendrin'Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin'Andriamanitra faingana. La Bible en Malgache Naverina indroa ny nofin’i Farao satria voatendrin’Andriamanitra ireo zavatra ireo ka hotanterahin’Andriamanitra haingana. |
Nifehy amboara teny an-tsaha, hono, isika, ary indro niarina ny amboarako ka tafajoro; fa nilahatra nanodidina ny ahy kosa ny amboaranareo, sady niankohoka teo anatrehany.»
Fa mbola nanonofy indray koa izy, sady nolazainy tamin’ireo rahalahiny. Hoy izy: «Nanonofy indray aho, ny masoandro amam-bolana ary ny kintana iraika ambin’ny folo niankohoka teo anatrehako.»
Dia hoy i Josefa tamin’i Faraôna: «Iray ihany ny nofin’i Faraôna, ary izay efa hataon’Andriamanitra no nambarany tamin’i Faraôna.
Koa izany no teny nataoko tamin’i Faraôna: izay efa hataon’Andriamanitra no nasehony tamin’ny Faraôna.
Tsy ho fantatra intsony ny nisian’ilay fahavokarana, noho ny mosary hanaraka izany ao amin’ny tany, fa ho mafy erỳ.
Fa efa voaomana hatramin’ny ela i Tôfeta; io koa dia efa voaomana ho an’ny mpanjaka. Nataon’ny Tompo malalaka sady lalina izy; misy afo aman-kitay betsaka eo ambonin’ny antontan-kitainy; ny fofon’ain’i Iaveh tahaka ny riaka solifara, no mampirehitra azy.
Tsy olombelona Andriamanitra ka handainga, Na zanak’olombelona ka hanenina. Moa mba milaza fotsiny va izy fa tsy manatanteraka, Na miteny ihany fa tsy manefa?
Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe: Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao.
Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
fa raha ny hipetraka ao ankavanako na ao ankaviako kosa dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany.»
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: «Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»
Indro, fanintelon’ny hankanesako atỳ aminareo izao. Ary hotapahina amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny zavatra rehetra.
Dia novahana ireo Anjely efatra izay efa voaoman-drahateo ho amin’ny ora sy andro ary volana sy taona voatendry, hamono ny ampahatelon’ny olona;