Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 41:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Niverina indroa taminao ny nofy, satria hentitra ny teny avy amin’Andriamanitra; ary hotanterahiny faingana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Naverina indroa ny nofin’i Farao satria voatendrin’Andriamanitra ireo zavatra ireo ka hotanterahin’Andriamanitra haingana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Niverina indroa taminao ny nofy, satria hentitra ny teny avy amin’Andriamanitra; ary hotanterahiny faingana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 Ary ny nofin’i Faraôna no naverina indroa, dia satria zavatra naraikitr’Andriamanitra izany sady hotanterahin’Andriamanitra faingana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary naverina indroa ny nofin’i Farao, satria efa voatendrin’Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin’Andriamanitra faingana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary naverina indroa ny nofin'i Farao, satria efa voatendrin'Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin'Andriamanitra faingana.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 41:32
18 Rohy Ifampitohizana  

Teny ampovoan-tanimbary, hono, isika ary teo am-pamehezam-bary indrindra no indro ny fehezam-bariko nitsangana sady nijoro mahitsy, fa ny fehezam-barinareo kosa nanodidina sady niankohoka teo anatrehan’ny fehezam-bariko.


Ary mbola nanonofy hafa i Jôsefa, dia notantarainy tamin’ny rahalahiny hoe: –Nanonofy indray aho, ka indro hono ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ny folo tonga niankohoka teo anatrehako.


Dia hoy i Jôsefa tamin’ny Farao: –Anankiray ihany no hevitr’ireo nofinao roa ireo. Izay efa hataon’Andriamanitra no ambarany aminao, ry Farao.


Izany, ry Farao, no efa voalazako taminao teo hoe: Izay efa hataon’Andriamanitra no asehony aminao.


Satria ho mafy loatra ny mosary dia tsy ho fantatra akory izay taon-jina teo aloha.


Fa efa voaomana hatry ny ela ny fandoroana, ary ho an’ny mpanjaka ihany koa izany. Faritra boribory, malalaka sady lalina, no namoriana kitay betsaka handrehetana afo; ary dia ny fofonain’ny TOMPO, izay toy ny riakan-tsolifara miredareda, no hampirehitra izany toeram-pandoroana izany.


Izany no ambaran’ilay vato izay hitanao niendaka tamina tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana, ka nanapotika ny vy sy halimo mbamin’ny tanimanga sy volafotsy ary volamena. Nampahafantarin’Andriamanitra lehibe anao, ry mpanjaka ô, izay hiseho amin’ny hoavy. Tena marina ny nofinao ary azo antoka ny heviny.»


Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na taranak’olombelona ka hanenina. Izay nolazainy dia hoefainy; izay nampanantenainy dia hotanterahiny.


Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.


Ary dia izao no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankavanany: «Avia ianareo nombàn’ny Raiko fitahiana; raiso ho lova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana an’izao tontolo izao.


Ary dia izao kosa no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankaviany: «Mialà amiko ianareo voaozona, mandehana any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.


fa izany hoe hipetraka eo ankavanako na eo ankaviako izany kosa tsy miankina amiko, fa ho an’izay nanomanan’Andriamanitra azy.


Saingy izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Zavatra tsy mbola hitan’olona maso na ren’ny sofiny na tafiditra tao am-pony akory, no efa nomanin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»


Izao no fanintelony hankanesako atỳ aminareo. Hoy ny Soratra Masina hoe: «Ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no aoka hitombenan’ny raharaha rehetra.»


Dia novahana ireo anjely efatra ireo; fa voaomana ho amin’izany ora sy andro ary volana sy taona izany rahateo izy ireo, mba hahafaty ny ampahatelon’ny olombelona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra