Ka hateloana sisa dia hasandratr’i Faraôna ny lohanao, haveriny amin’ny raharahanao indray ianao, ka hametraka ny kôpin’i Faraôna ho eo an-tanany ianao, araka ny raharahanao teo aloha, fony ianao mpandroso divay azy.
Genesisy 40:14 - Baiboly Katolika Koa raha avy izay hahatongavanao any amin’ny fahasambarana indray, ka mba mahatsiaro ahy ianao, sy mba te-hanisy soa amiko, dia lazao any amin’i Faraôna any aho, asaovy esorina amin’ity trano ity. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa mba tsarovy aho rehefa mahita soa ianao, koa trara antitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin’i Farao aho ka avoahy amin’ity trano ity. DIEM PROTESTANTA Fa mba tsarovy aho rehefa hambinina ianao, anehoy hatsaram-po ka mba resaho amin’ny Farao hamoahanao ahy hiala amin’ity tranomaizina ity. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa mba tsarovy aho rehefa hambinina ianao, anehoy hatsaram-po ka mba resaho amin’ny Farao hamoahanao ahy hiala amin’ity tranomaizina ity. Baiboly Protestanta Malagasy Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa hianao, ka trarantitra hianao, iantrao aho, dia lazao amin’i Farao aho, ka avoahy amin’ity trano ity; Malagasy Bible Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin'i Farao aho, ka avoahy amin'ity trano ity; La Bible en Malgache Fa mba tsarovy aho rehefa mahita soa ianao, koa trara antitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin’i Farao aho ka avoahy amin’ity trano ity. |
Ka hateloana sisa dia hasandratr’i Faraôna ny lohanao, haveriny amin’ny raharahanao indray ianao, ka hametraka ny kôpin’i Faraôna ho eo an-tanany ianao, araka ny raharahanao teo aloha, fony ianao mpandroso divay azy.
Izay ilay lehiben’ny mpandroso divay vao niteny ka nilaza tamin’i Faraôna nanao hoe: «Ndeha hampahatsiaro ny fahadisoako taloha aho anio.
Ary hoy i Davida: «Mbola misy olona amin’ny fianakavian’i Saola va, mba hasiako soa noho ny amin’i Jônatasy?»
Fa ireo zanak’i Berzelaia galaadita kosa dia hanehoy fitiavana ka aoka ho isan’izay mihinana eo amin’ny latabatrao izy ireo, fa tahaka izany koa no nanatonany ahy, fony aho nandositra teo anoloan’i Absalôma rahalahinao.
Dia hoy izy tamin’i Jesoa: «Tompoko, tsarovy aho rehefa mby any amin’ny fanjakanao Ianao.»
Mpanompo va ianao no nantsoina? Aoka tsy hampaninona anao izany; fa na mahazo miavo-tena aza ianao, aleo ihany manararaotra ny toetra niantsoana anao;
Koa ankehitriny, mihanta aminareo aho, mba hianiana amin’i Iaveh ianareo, fa toy ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ny ankohonan’ny raiko koa; ary omeo famantarana mahatoky aho,
dia tsy hotsindronin’ny nenina ianao, na hampijalin’ny fony ny tompoko, avy amin’ny fandatsahan-dra tsy misy antony sy famaliam-paty ho an’ny tena. Ary rehefa asian’i Iaveh soa ny tompoko mba tsarovy ny ankizivavinao».