Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 40:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Fa mba tsarovy aho rehefa hambinina ianao, anehoy hatsaram-po ka mba resaho amin’ny Farao hamoahanao ahy hiala amin’ity tranomaizina ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Fa mba tsarovy aho rehefa mahita soa ianao, koa trara antitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin’i Farao aho ka avoahy amin’ity trano ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Fa mba tsarovy aho rehefa hambinina ianao, anehoy hatsaram-po ka mba resaho amin’ny Farao hamoahanao ahy hiala amin’ity tranomaizina ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Koa raha avy izay hahatongavanao any amin’ny fahasambarana indray, ka mba mahatsiaro ahy ianao, sy mba te-hanisy soa amiko, dia lazao any amin’i Faraôna any aho, asaovy esorina amin’ity trano ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa hianao, ka trarantitra hianao, iantrao aho, dia lazao amin’i Farao aho, ka avoahy amin’ity trano ity;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin'i Farao aho, ka avoahy amin'ity trano ity;

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 40:14
9 Rohy Ifampitohizana  

Ato anatin’ny telo andro dia hasandratry Farao ianao, ka haveriny eo amin’ny toeranao, ary hanolotra ny tsangambavan’ny Farao toy ny teo aloha araka ny maha lehiben’ny mpandroso zava-pisotro anao.


Tamin’izay no niteny tamin’ny Farao ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ka nanao hoe: –Tompokolahy ô, tsaroako ankehitriny ny fahadisoako.


Hoy i Davida indray andro: –Mbola misy olona sisa velona ve amin’ny fianakavian’i Saoly? Mba tiako ny hanisy soa azy noho ny amin’i Jônatàna.


Fa ireo zanakalahin’i Barzilay avy any Gilehada kosa dia asio soa ary aoka izy hihinana eo amin’ny latabatrao, satria tonga namonjy ahy izy fony aho nandositra an’i Absalôma rahalahinao.


Dia izao no naverimberiny: –Jesoa ô, mba tsarovy aho rahatrizay ho avy indray Ianao amin’ny maha Mpanjaka Anao.


Mpanompo ve ianao fony nantsoin’Andriamanitra? Aoka tsy hampaninona anao ny maha mpanompo; kanefa raha misy ahafahanao miavotra, aleo hararaotina izany.


Ary ankehitriny, aoka hianiananareo amin’ny Tompo aho fa hamindranareo fo ny fianakaviako tahaka izay namindrako fo taminareo: koa mba omeo famantarana azo antoka aho


dia aoka tsy harahin’alahelo na nenina ianao satria hoe nahalatsa-dra amin’ny antony ka nanao fitsaran-tenany. Mba tsarovy aho mpanomponao, tompoko, rehefa manisy soa anao ny TOMPO!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra