dia hitan’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olombelona, ka naka vady tamin’izy ireo izy, dia tamin’izay rehetra tiany.
Genesisy 39:7 - Baiboly Katolika Ary tatỳ aorian’izany, dia sendra nanopy ny masony tamin’i Josefa ny vadin’ny tompony, ka nanao hoe: «Avia handry amiko.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Taorianan’izany ny vadin’ny tompony dia nanomboka nijery an’i Josefa ka niteny hoe: Avia handry amiko. DIEM PROTESTANTA Taorian’ireo zava-niseho ireo, dia nangata-maso tamin’i Jôsefa ny vadin’ny tompony, ka nanao taminy hoe: –Avia handry amiko! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taorian’ireo zava-niseho ireo, dia nangata-maso tamin’i Jôsefa ny vadin’ny tompony, ka nanao taminy hoe: –Avia handry amiko! Baiboly Protestanta Malagasy Ary taorian’izany ny vadin’ny tompony nanopy ny masony hijery an’i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko. Malagasy Bible Ary taorian'izany ny vadin'ny tompony nanopy ny masony hijery an'i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko. La Bible en Malgache Taorianan’izany ny vadin’ny tompony dia nanomboka nijery an’i Josefa ka niteny hoe: Avia handry amiko. |
dia hitan’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olombelona, ka naka vady tamin’izy ireo izy, dia tamin’izay rehetra tiany.
Kanjo, raha ilay nanolotra izany hohaniny iny izy, dia nosavihiny ka hoy izy taminy: «Avia handry amiko, ranabavy.»
Efa fanekena nataoko tamin’ny masoko, ka hataoko ahoana no fanopy maso hijery virjiny?
hanafaka anao amin’ny vehivavy efa an’ny hafa, amin’ny vehivavy efa an’olon-kafa izay manao teny mandrobo,
fandrao dia atolotrao ny hafa ny tsara indrindra amin’ny andron’ny fahatanoranao, ary atolotrao ny tompo masiaka ny taonanao;
Fa vehivavy janga no mila tsy hananan’ny olona sombi-mofo; ary vehivavy manam-bady no tonga fandriky ny aina sarobidy.
Nosavihiny ity zazalahy, dia norohany, ary sady nanao tarehin’ny tsy valahara izy no milaza aminy hoe:
ka voasakana ny oram-pararano tsy nisy ny oran-dohataona. Nefa handrim-behivavy janga ny anao, ka tsy nety nahalala menatra ianao.
Nasianao ny fitoerana avonao avokoa ny sampanan-dalana; nolotoinao ny hatsaran-tarehinao; nanolo-tena tamin’ny mpandalo rehetra ianao; nampitomboinao ny fijangajanganao.
Hafa noho ny amin’ny vehivavy hafa no nihatra taminao, tamin’ny fijangajanganao, fa tsy mba nisy olona nitady anao. Tamin’ny nanomezanao tangy fa tsy mba nomena kosa ianao, dia tonga mifanohitra amin’ny ataon’ny olona ny nataonao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Ny masony feno fijangajangana sy liam-pahotana lalandava; ny tsy miorin-tsaina tsara, angoleny; ny fony zatry ny fitiavam-bola; eny, zanaky ny fanozonana izy ireo.
Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.