Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 38:10 - Baiboly Katolika

Tsy sitraky ny Tompo ny nataony, ka novonoiny koa izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy nankasitrahan’NY TOMPO izay nataony ka novonoiny koa izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary hita fa ratsy teo imason’ny Tompo izay nataon’i Onàna, ka nampamonoin’ny TOMPO ho faty koa izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hita fa ratsy teo imason’ny Tompo izay nataon’i Onàna, ka nampamonoin’ny TOMPO ho faty koa izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ratsy teo imason’i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ratsy teo imason'i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy nankasitrahan’NY TOMPO izay nataony ka novonoiny koa izy.

Jereo ny toko



Genesisy 38:10
13 Rohy Ifampitohizana  

Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, i Selà, i Faresa ary i Zarà; fa i Hera sy i Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak’i Faresa dia i Hesrôna sy i Hamola.


Ka nony afa-tsaona ravehivavy dia nampanalain’i Davida sy noraisiny ao an-tranony. Tonga vadiny izy ary niteraka zazalahy taminy. Ary tsy sitrak’i Iaveh izany zavatra nataon’i Davida izany.


Dia niantso an’i Iaveh izy, nanao hoe: «Iaveh Andriamanitra ô, dia nampidi-doza ho amin’ity mpitondratena itoerako ity va Ianao, ka hahafaty ny zanany va?»


Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, sy i Selà: izy telo lahy ireo no naterak’ilay zanaka vavin’i Soe, ilay vehivavy Kananeanina, taminy. I Hera lahimatoan’i Jodà dia ratsy fanahy teo imason’i Iaveh, ka nasiany ho faty.


Tsy sitrak’Andriamanitra izany raharaha izany, ka dia nokapohiny i Israely.


Ny ratsy fanahy azeran’ny faharatsiany; ny marina kosa matoky hatrany am-pahafatesana aza.


fandrao hitan’i Iaveh izany, ka ratsy eo imasony, dia haviliny tsy ho any aminy, ny hatezerany.


Efa naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, sady naniraka azy hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: «Aza dia manao izany fahavetavetana hàlako izany ianareo.»


Ary i Akjea, irak’i Iaveh, araka ny didin’i Iaveh, niteny tamin’ny vahoaka, nanao hoe: Momba anareo Aho - teny marin’i Iaveh.


Nanomboka nimonomonona zavatra tsy mety tamin’ny sofin’i Iaveh ny vahoaka. Nandre an’izany i Iaveh ka nirehitra ny hatezerany ary nirehitra tamin’izy ireo ny afon’i Iaveh, ka may ny teny an-tsisin’ny toby.


Ary hoy i Balaama tamin’ny Anjelin’i Iaveh: «Efa nanota aho, fa tsy fantatro hoe teo anoloako ianao, ary ankehitriny raha tsy sitrakao izao, dia hody aho.»


Zanak’i Jodà: i Era sy i Onàna, fa maty tany Kanaana i Era sy i Onàna.


Raha olombelona no anotan’olombelona dia Andriamanitra no mitsangan-ko elanelam-panahy, fa raha i Iaveh kosa no anotàny, iza no hifona ho azy?» Tsy nihaino ny feon-drainy anefa izy fa ny hahafaty azy no sitrak’i Iaveh.