Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hagay 1:13 - Baiboly Katolika

13 Ary i Akjea, irak’i Iaveh, araka ny didin’i Iaveh, niteny tamin’ny vahoaka, nanao hoe: Momba anareo Aho - teny marin’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary nambaran’i Hagay, iraky NY TOMPO, ny teny nampitondrain’NY TOMPO ho amin’ny olona hoe: Izaho no momba anareo, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Dia araka ny hafatra nampitondrain’ny TOMPO ho an’ny vahoaka no nitenenan’i Hagay iraky ny TOMPO hoe: –Izaho no miaraka aminareo. Fampanantenana hentitra avy amiko TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Dia araka ny hafatra nampitondrain’ny TOMPO ho an’ny vahoaka no nitenenan’i Hagay iraky ny TOMPO hoe: –Izaho no miaraka aminareo. Fampanantenana hentitra avy amiko TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary nambaran’i Hagay, irak’i Jehovah, ny teny nampitondrain’i Jehovah ho amin’ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary nambaran'i Hagay, irak'i Jehovah, ny teny nampitondrain'i Jehovah ho amin'ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ary nambaran’i Hagay, iraky NY TOMPO, ny teny nampitondrain’NY TOMPO ho amin’ny olona hoe: Izaho no momba anareo, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Hagay 1:13
27 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Davida tamin’i Salômôna zanany: «Matanjaha! Mahereza! Miasà! Ary aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitra, Andriamanitro homba anao; tsy handao anao Izy, na hahafoy anao, mandra-pahavitan’ny asa rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.


ka nandeha nitsena an’i Asà izy, sy nilaza taminy hoe: «Mihainoa ahy, ry Asà, mbaminareo Jodà sy Benjamina rehetra. Momba anareo i Iaveh raha momba azy ianareo; raha mitady Azy ianareo, dia hety ho hitanareo Izy, fa raha mahafoy Azy kosa ianareo, dia mba hahafoy anareo koa Izy.


Tsy hisy tokony hiadianareo akory amin’ity, fa tongava dia mijanòna eo, fa ho hitanareo ny famonjena hataon’i Iaveh anareo, ry Jodà sy i Jerosalema. Aza matahotra na manam-badi-po; mivoaha ianareo rahampitso hitsena an’ireo, fa homba anareo i Iaveh.»


Sandry nofo no momba azy, fa i Iaveh Andriamanitsika kosa no momba antsika, hanampy antsika sy hitarika ny fanahintsika.» Natoky ny tenin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà ny vahoaka.


Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany!


Mitabataba ny firenena, mikotrankotrana ny fanjakana; vao nampandre ny feony Izy dia nihotsaka matahotra ny tany.


Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.


Iza no jamba afa-tsy ny mpanompoko; iza no marenina tahaka ny iraka irahiko? Iza no jamba tahaka an’izay nataoko sakaizako, sy jamba tahaka ny mpanompon’i Iaveh?


Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.


Izaho no mahatò ny tenin’ny mpanompoko, sy mahatanteraka ny hevitra lazain’ny irako; ny amin’i Jerosalema dia ilazako hoe: «Honenana anie izy!» ny amin’ny tanànan’i Jodà hoe: «Hatsangana indray anie izy ireo!» Hamboariko indray izay rava aminy.


Hataoko manda varahina mafy ho an’ity vahoaka ity ianao; hiady aminao izy, nefa tsy hahavoa anao akory; satria homba anao Aho, hamonjy, sy hanafaka anao, - teny marin’i Iaveh. -


I Iaveh anefa no momba ahy, toy ny lehilahy mahery; ka hitambotsitra ireo mpanenjika ahy, fa tsy haharesy. Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy amin’ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina.


Fa momba anao Aho, - teny marin’i Iaveh, - hamonjy anao; hataoko ringana ny firenena rehetra nampielezako anao. Fa ianao kosa, tsy mba haringako; hofaiziko ara-drariny ihany ianao, fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.


«Ry zanak’olona, tendreko ho mpitily eo amin’ny taranak’i Israely ianao, hihaino ny teny haloaky ny vavako ianao; ary hananatra azy ireo amin’ny Anarako.


Ary ankehitriny matokia, ry Zôrôbabela, - teny marin’i Iaveh. - Matokia, ry Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe! Matokia ianareo vahoaka rehetra amin’ny tany, - teny marin’i Iaveh, - ary miasà! fa momba anareo Aho, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -


Fa ny molotry ny mpisorona no mpitahiry ny fahalalana, ary ny vavany no angatahana ny fampianarana, satria izy no Anjelin’i Iavehn’ny tafika.


Indro Aho haniraka ny hirako, ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay Anjelin’ny fanekena irinareo. Indro avy izy, hoy i Iavehn’ny tafika.


Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: «amintsika Andriamanitra.»


Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho.


ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»


Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?


Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!


Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan’ny liona aho.


Ho ao amin’ny fanahinao anie i Jesoa Kristy Tompo. Ary ho ao aminareo anie ny fahasoavana.


Ary niakatra avy any Galgalà ny Anjelin’i Iaveh nankany Bokima, ka nanao hoe: «Nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta Aho; dia nampiditra anareo amin’ny tany izay nianianako tamin’ny razanareo homena anareo. Hoy Aho hoe: Tsy hanatsoaka ny fanekeko aminareo mandrakizay Aho,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra